12:30 > Haitrano Manarintsoa Afovoany-CUA

Trano miisa 31 no may androany tamin’ny 1 ora maraina tao amin’ny Fokontany Manarintsoa Afovoany Boriboritany voalohany. Ny 5 tamin’ireo trano may ireo dia trano biriky, ny 26 kosa dia trano hazo. Miisa 180 ireo tsy manan-kialofana vokatr’izao haitrano izao. 2 no naratra, tsy nisy ny aina nafohy. Ny antony naha-may ny trano araka ny nambaran’ireo olona teny an-toerana dia mety ho resaka kakay satria nisy nandraraka lasantsy ny varavaran’ny tonkatrano iray dia iny no niteraka firehetana tsy voafehy.
Tonga nankahery an’ireo olona traboina tratran’io haitrano io ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) androany 03 jolay maraina , notarihan’ny Solontenan’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, nahitana ny kolonely Emilien Ramboasalana sy ireo mpiara miasa akaiky. Nanolotra vary 10 Gony , savony 5 baoritra, menaka 4 baoritra ary sûr-eau 2 baoritra ny kaominina Antananarivo tamin’izany. Teo ihany koa ny fandefasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra Dokotera teny an-toerana, mba hitsabo ireo izay tsy salama rehetra . Tsy vitan’izay ,fa arakin’ny toromariky ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana dia ho raisina an-tanana maimaimpoana ny fanamboarana ireo taratasy ara-panjaka izay may rehetra teny an-toerana toy ny kopia, karapanondro, bokim-piankohonana, sy ny maro hafa… izay tanterahana ao amin’ny boriboritany voalohany .
Tsy iandrasana ela fa ho tonga hanadio ny toerana may koa ny mpamonjy voina sy mpanadio tanànan’ny kaominina Antanananarivo Renivohitra, ho rarahana fanafody ny toerana mialohan’ny hanarenan’ireo mponina ny tranony may indray.

Tonga nanome fanomezana vary, menaka, savony sns… ho an ‘ireo traboina teny Manaratsoa afovoany ny kaominina Antananarivo Renivohitra notarihin’ny lefitry voalohan’ny ben’ny tanana Ramboasalama Emilien