12:00 > ANTANANARIVO – Mitohy ny fanadiovana, eny amin’ny Fasan’ny karana indray izao

Nohon’ny fampanantenana sy ny toromarika avy tamin’ny ben’ny tananan’Antananarivo renivohitra Lalao RAVALOMANANA sy ny mpanolotsaina manokany Marc RAVALOMANANA, dia tonga tao amin’ny toby fiantsonan’ny fiara, Fasan’ny Karana ny maraina ny Ekipa teknika mandrafitra ny fanadiovana na ny ESA (Equipe Spécialisé en Assainissement) ao amin’ny CUA nanadio sy nanala ireo fotaka sy fako ary ny maloto tao anaty tatatra. Izao fanadiovana izao dia hitohy ka tsy hitsahatra raha tsy vita tanteraka ny ao anatiny sy ivelan’ny Fasan’ny Karana.