25 C
Antananarivo
Tue 6 Dec 2022 17:52

No posts to display

LAHATSORATRA FARANY

TOETRANDRO ANDROANY

Antananarivo
scattered clouds
25 ° C
25 °
25 °
47 %
4.6kmh
40 %
Tue
23 °
Wed
26 °
Thu
26 °
Fri
25 °
Sat
23 °
Comments Box SVG iconsUsed for the like, share, comment, and reaction icons

ENS Ampefiloha. ... TohinyFintinina

2 ora lasa

ENS Ampefiloha.

Comment on Facebook 1764140243706142_591552886303714

ÉTAT EN FAILLITE ET EN CESSATION DE PAIEMENT !

mahereza rakizy fa ento mora fa ny amono no hainy fa tsy ijery zany reo an

Tsara ho fantatra. ... TohinyFintinina

7 ora lasa

Tsara ho fantatra.

FIFIDIANANA 2023

Tsy marisika amin’izany ny mpitondra fanjakana,
Fa ny fandanianiam-poana no mafana dia mafana.
Fidedahana no maika, nolaroina fetifety.
Tsy tontosa izay kasaina fa mijanona ho makety!

Tsy marisika amin’izany ny mpitondra fanjakana.
Re ny ketrika maloto hanalavana taom-piasana.
Ny tsy fahampian’ny vola hoenti-miatri-pifidianana,
No efa mody atsiditsidika vao aty am-panomanana!

Ny hanamafy seza hatrany, izay no tena fikasana.
Ny “tetezamita” indray no anaty kajy efa voarindra.
Ny fitiavan-tseza mantsy, io no lehibe indrindra!

Ilay komity izay najoro hikarakara fifidianana,
Vao miteny dia efa tsinjo f’efa tena “nofahanana”,
Ka tsy misy tsara intsony mety mbola andrasana aminy.
Ny fitiavam-bola mantsy, izay no lehibe sy maminy!

DADAN’i RIANA (03-12-22)

www.gvalosoa.net/2022/12/06/fifidianana-2023/
... TohinyFintinina

http://www.gvalosoa.net/2022/12/06/fifidianana-2023/

Mandrosoa Ivato – Misokatra ho an’ny rehetra ny Cabinet Medical Manasoa

Aly

Misokatra ho an’ny rehetra ny Cabinet Medical Manasoa eny Mandrosoa Ivato.

Nanatanteraka varavarana misokatra, sy fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ity toeram-pitsaboana tsy miankina ity, ny tompon’andraikitr’izany toeram-pitsaboana izany ny sabotsy teo tontolon’ny andro. Nambaran’ny filoha mpanorina: Dr Sylvie Razafintsalama nandritra izany, fa ity toeram-pitsaboana ity dia ana fikambanana dokotera, ny 26 septambra lasa teo izy no nosokafana, fa ny sabotsy teo vao natao ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy, nampahafantarana koa ny mponina manodidina ny momba azy.

Azo lazaina ho mbola tsy ampy toeram-pitsaboana ny eny Ivato, Talatamaty, Mandrosoa Ivato sy ny manodidina, izay no anisan’ny nanokafana azy, hoy izy. Ny fitsaboana ny reny sy ny zaza no tena atao ao, fa misy koa ny fitsaboana amin’ny ankapobeny, sy ny fanarahana ny vohoka.

Amin’izao fipariahan’ny valanaretina covid19 izao indray, mandray an-tanana izany ny dokotera mpitsabo ny aretina rehetra, na généraliste, ao amin’ny Cabinet Medical Manasoa. Ny fanafody dia misy ireo fanafody mahazatra ao an-toerana.

www.gvalosoa.net/2022/12/06/mandrosoa-ivato-misokatra-ho-anny-rehetra-ny-cabinet-medical-manasoa/

http://www.gvalosoa.net/2022/12/06/mandrosoa-ivato-misokatra-ho-anny-rehetra-ny-cabinet-medical-manasoa/

12e Jeux de la CJSOI – Mampalahelo fa resy tsy niady ireo athleta Malagasy

Rainilita

Nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy tao amin’ny kianja “Complexe Sportif de Côte d’Or” any Maurice, ny fifaninanana « Jeux de la CJSOI » andiany faha-12 ny alahady teo. Nisongadina tamin’izany ny tsy andraisan’i Madagasikara anjara, izay nambaran’ny Praiministra Maorisiana, Pravind Jugnauth, tao amin’ny fanokafana an’ity hetsika ity fa : “La délégation malgache ne sera finalement pas de la fête cette année. Pour l’heure aucune raison n’a été évoquée tandis que les compétitions débutent aujourd’hui », izany hoe tsy fantatra mazava ny tena antony tsy andraisan’i Madagasikara anjara.

Mampalahelo arak’izany, fa resy tsy niady akory ireo athleta Malagasy amin’ity lalao ho an’ny tanora aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana ity. Taranja miisa 11 no handraisan’ireo athlete anjara, izay vinavinaina hatrany amin’ny 800 isa any amin’ity andiany 2022 ity. «Irariana fa hanamafy bebe kokoa ny fifankatiavana sy ny firaisan-kinan’ireo nosy aty amin’ny Ranomasim-be Indiana ity hetsika ity, hoy Andriamatoa Jugnauth ». Nambarany ihany koa fa : «nanohana ara-bola betsaka an’ity fifaninana ity ny governemanta Maorisiana ary mampanantena hetsika miavaka mandritra ny 7 andro hanatanterahana ny fifaninanana ( 4-11 desambra 2022) ». Navoitrany koa teo am-pamaranana ny kabary fanokafana nataony fa: « Politikan’ny governemanta tarihany ny hampiroborobo ny fahaiza-manao eo amin’ny tanora ka tena ilaina ny fampiboroboana ny fanatanjahantena ao anatin’izany ».

CJSOI, tsy mandray anjara na forfait isika Malagasy, iza no tompon’antoka?
Tsy tonga any an-toerana ireo athleta malagasy tokony handray anjara amin’ny fifaninanana noho ny antony tsy fantatra hatreto. Raha ny vaovao farany dia efa teto Antananarivo avokoa ireo athleta rehetra ary voatery nalefa nody amin’ny tany niaviany avy aloha, mampalahelo ny athletantsika, efa nanoman-tena fatratra nefa tsy lasa izao, sambany tao anatin’ny 60 taona no nisy an’izany noho ny tsy fahaiza-mitantan-dry Rajoelina sy ry ministra Tinoka Roberto.

www.gvalosoa.net/2022/12/06/12e-jeux-de-la-cjsoi-mampalahelo-fa-resy-tsy-niady-ireo-athleta-malag...

http://www.gvalosoa.net/2022/12/06/12e-jeux-de-la-cjsoi-mampalahelo-fa-resy-tsy-niady-ireo-athleta-malagasy/

Filoha Ravalomanana – Asio sary ny lisitra sy ny kara-pifidianana hialana amin’ny hosoka

Isambilo

Nanatrika ny fivoriamben’ny Vehivavy TIM Analamanga, sy ny hetsika nataon’ny TIM Avaradrano ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM ny sabotsy teo, tetsy Bel’Air Ampandrana, sy tany Alasora Avaradrano.

Araka ny nambaran’ny filohan’ny Vehivavy TIM ANALAMANGA, Rahelisoa Arphine nandritra ny fotoana tao amin’ny QG Bel’Air, tonga nanome toromarika ny vehivavy TIM ny filoha Marc Ravalomanana, manoloana ny raharahampirenena misy ankehitriny sy ny fifidianana ho avy amin’ny taona 2023. Tao Bel’Air, nambaran’ny filoha Ravalomanana fa: ” faly aho ary tena faly tonga mitafa aminareo Vehivavy TIM Analamanga. Azo lazaina fa tena miditra tanteraka eo amin’ny fanomanana ny fifidianana amin’izao fotoana, izao. Ho an’ny antoko TIM rehetra dia tsy maintsy hamafisintsika ny FIRAISANKINA, mba hahafahana miady sy manohitra ireo tetika maizina izay mety ataon’ny sasany. Lavo ny firenena ka mila fanavotana sy fanarenana haingana. Tsapa tokoa ny tena fahavononana sy ny fahasahianareo vehivavy mijoro ho an’ny fanarenana ny firenena.”

Teny Alasora Avaradrano, nanambara i Dada fa: ”ho antsika mpikambana amin’ny antoko Tiako i Madagasikara eto amin’ny Distrikan’ Avaradrano sy manerana an’i Madagasikara. Miraisa hina! Sahia mijoro! Mandraisa andraikitra! Porofoy fa manana ny maha izy azy ny Tomponandraikitra sy Mpikambana TIM, satria vonona sy afaka mandray anjara feno amin’ny fanasoavana ny firenena.”

Mahakasika ny fiomanana amin’ny fifidianana, nanentana ny rehetra hiditra hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana ny filoha Ravalomanana, satria na ho ela na ho haingana tsy maintsy hisy foana ny fifidianana hoy izy. Momba an’izay, hialana amin’ny hosoka sy ny « doublons », tokony hasiana sary ny lisi-pifidianana sy ny kara-pifidianana. Notsiahiviny nandritra izany koa ny fihaonan’ireo mpitarika antoko politika teto amintsika, tamin’ny iraky ny SADC ny herinandro lasa teo. Mikasika ny SADC hoy ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, amin’ny maha mpikambana antsika ao amin’ny SADC, tokony ho takiana amin’ny CENI ny fampiharana ilay protocole, na torolalana sy fepetra ny SADC momba ny fifidianana, ao anatin’izany: ny fandraisan’ny vahoaka rehetra anjara, ny fampiharana ny fahalalahana maneho hevitra sy fahalalahana mivory, fandraisana fepetra mba hisorohana ny ramatahora, ny kolikoly ary ny herisetra politika, ny fanajana ny fahamarinana, ny tsy fitanilana ary ny mangarahara eo amin’ny fikarakarana fifidianana.

Eo koa ny tokony hamerana ny vola ho lanian’ny kandidà isanisany amin’ny fifidianana. Noresahany tamin’izany koa ny fivorian’ny birao politika niaraka tamin’ny CENI, tokony ho mailo sy handraisana fanapahan-kevitra ny mahakasika ireto hoy izy: tsapa fa tsy vonona hanao fifidianana ny mpitondra satria ny tetibola hanaovana izany aza tsy ampy. Tsy tomombana araka ny tokony ho izy ny fanisana ny mpifidy izay ataon’ny CENI. Efa manomboka hita soritra fa mikatsaka ny hijanona eo amin’ny fitondrana amin’ny fomba tsy ara-dalàna ny mpitondra, ka mihevitra ny hanao tetezamita rehefa tapitra ny tokony hijanonany eo. Noho ireo antony ireo hoy ny Filoha Ravalomanana, tsy maintsy hamafisina ny firaisankinan’ny TIM, ny RMDM ary ny mpanohitra izao fitondrana izao amin’ny ankapobeny.

www.gvalosoa.net/2022/12/06/filoha-ravalomanana-asio-sary-ny-lisitra-sy-ny-kara-pifidianana-hiala...

http://www.gvalosoa.net/2022/12/06/filoha-ravalomanana-asio-sary-ny-lisitra-sy-ny-kara-pifidianana-hialana-aminny-hosoka/

Kabary momba ny lalambe migodana – Fanetrentenan’ny mpihatsaraivelantsihy no nataon-dRajoelina

Andry Tsiavalona

Fanetrentenan’ny mpihatsara ivelatsihy (fausse modestie) indray, no nataon’ny filohan’ny Repoblika IV-2, Andry Rajoelina, tamin’ny kabariny tamin’ny fanombohan’ny asa hanamboarana ny « làlambe migodàna » mampitohy ny Renivohitra, mandalo any Ambatondrazaka, sy Miami renivohitry ny « firaisan-kina sy fifankatiavana » (Miray Hina sy Mifankatia). Nambarany mantsy fa « tsy ny anarany no tiany hasongadina fa mametraka fotodrafitrasa ho lovain’ny taranaka » izy. Fa inona no ao ambadik’ireny kabariny niverimberina rehetra nanao hoe « hanao ny tsy vitan’ny mpitondra nifandimby nandritra ny enimpolo taona » ireny?

Tsy afaka miala Rajoelina Andry, fa fanasongadinan-tena ireny satria tsy mbola fantatra sady tsy mbola voafaritra akory izay ho nataony dia efa izany ny vava nataony. Manamarina izany koa ny nahazoany ny amboara « tompondakan’ny fanabeazan’aizana sy fananganana indostria », izay izy no nisongadina fa tsy ny Firenena Malagasy velively. Namoaka lahatsoratra ny gazety mpanohana izao fitondrana izao, fa « hampiray hina ny Faritra telo » : Analamanga sy Alaotra Mangoro ary Atsinanana ity làlambe migodàna ity.

Angaha tsy efa nampiray hina ireo Faritra telo ireo ny Làlampirenana faha-2? Mampiray hina ireo Faritra telo ireo koa ny làlamby, satria tena nilain’ny mponina nandalovany sy nisy fihantsonany, ka tsy ny mponina ihany no afaka nifamezivezy fa ny vokatra isan-karazany misy koa. Midika ireo fa tsy hisy tombony ho an’ny taranaka andalovan’ny Làlampirenena faha-2 sy ny làlamby velively ny fahavitan’ity làlambe migodàna ity, satria ho potika sy tsy ho azo hampiasaina intsony ny làlampirenena sy ny làlamby, ka hitoka-monina ny mponina any.

Fanasongadinantenan-dRajoelina Andry ny nanovàna ho « moderna » ny ao Anaty Rovan’i Manjakamiadana, izay nasiana “ascenceur” sy nanoloana « carreaux » ny gorodona ary nanorenana trano fidiovana ao anatiny. Fanasongadinantena ny nananganana ny « Colisée », satria tsy misy ifandraisany amin’ny kolontsaina sy ny soatoavina Malagasy ity fotodrafitrasa ity.

Iza no nikatsaka dera sy laza raha nanangana ny « Kianjan’ny Barea » sy ny kianja manara-penitra any amin’ny Faritra ny fitondrana Rajoelina Andry, satria tetibolan’ny fiadidiana ny Repoblika, angamba, no nanatanterahana azy ireny, ka izy tenany hatrany no nitokana azy, fa tsy ny minisitry ny fanatanjahantena izay takona tanteraka. Iza no hisoratra ao amin’ny tantaram-pirenena sy hisongadina eo amin’ity sehatry ny fanatanjahantena ity raha nanambara ny filohan’ny Repoblika, fa noho ny vavaka nataony tany amin’ny trano fidiovana, araka ny nambarany, no nampiakatra ny Barea tamin’ny dingan’ny ampahefa-dàlana raha niady ny ho tompondaka taty Afrika (CAN).

Tsy afaka mandà Rajoelina Andry, fa na inona na inona nataony (fametrahana vato fototra, fitokanana, fanarenana simba, sns…) dia ny anarany no tiany napetraka ho tantara lovain’ny taranaka, fa tsy ny fanasongadinana ny vokatsoa haterak’izany ho an’ny vahoaka sy ny firenena iray manontolo. Tsy fantatr’i Rajoelina Andry, fa raha tafaverina amin’ny laoniny ireo làlampirenena rehetra simba amin’izao fotoana izao dia hisongadina ho azy izy ary tsy hanenina, tahaka ny ankehitriny, ny mponina nifidy azy eny amin’ireny làlampirenena ireny.

Tsy azo hodian-tsy hita fa mampahatsiahy ny olompirenena sy ny mpampiasa ny làlam-pirenena faha-6 sy Faha-7 ary faha-2, raha tsy iresaka afa tsy ireo, an-dRavalomanana Marc ny nanamboarany izany. Matoa tsy misy vita hatramin’ny farany izay neverin-dRajoelina Andry natao rehetra dia tsy ny ho an’ny taranaka mihitsy ny tanjona farany, fa ny anarany no tiany ho tsiahivina kanefa raha izao toe-draharaha misy izao dia ho laza ratsy ho azy no ho lovain’ny taranaka.

www.gvalosoa.net/2022/12/06/kabary-momba-ny-lalambe-migodana-fanetrentenanny-mpihatsaraivelantsih...

http://www.gvalosoa.net/2022/12/06/kabary-momba-ny-lalambe-migodana-fanetrentenanny-mpihatsaraivelantsihy-no-nataon-drajoelina/

EDITO 6 Desambra – Hanao fety ao anaty fahantrana sy haizina ny Malagasy

Helisoa

Andro maromaro sisa dia higadona ny fankalazàna ny fety nahaterahan’ny mpamonjy: ny Krismasy, sy ny handraisana ny taona vaovao 2023. Manoloana izany, ny volana desambra ohatra izao dia efa somebiseby mitady ny fomba rehetra hiatrehina ny fety, mba hampifalifaliana ny ankohonana ny raim-pianakaviana, satria efa tototry ny fahantrana amin’ny fahasahiranana mandavan-taona loatra ny tokantrano Malagasy ankehitriny dia mba te hifaly.

Raha ny zavamisy hita sy miseho amin’izao fotoana anefa dia betsaka ny kivy satria hiaina ao anaty fahantrana sy haizina ihany ny Malagasy amin’izao fetin’ny faran’ny taona izao. Miha-mafy ny delestazy, maro ireo miasa amin’ny resaka jiro no potika ny fitaovana entina miasa, tsy afaka miasa ara-dalàna vokatr’izany. Aiza izany no hahita vola hiatrehina ny fety, sy ny fiainana andavanandro? Mihetsika manohitra izany amin’izao ny fokontany maromaro eto an-drenivohitra sy ny manodidina, toy ny teny Itaosy, Tanjombato, Soavimasoandro, Andoharanofotsy, sns… satria efa tsy rariny loatra ny zavamisy araka ny ambaran’izy ireo.

Araka izany, mitombo hatrany ny fahantrana vokatry ny delestazy, ny vola aloa amin’ny JIRAMA anefa mitombo hatrany tsy misy fiafarany. Ny fahantrana mianjady amin’ny Malagasy tsy ankanavaka moa efa tena mampiteny ny moana mihintsy. Tsy misy ny andraikitra matotra raisin’ny fanjakàna, fa toa manidintsidina tsy hita hoe mankaiza. Mivadibadika ilay velirano, fa tsy hita izay tena laharam-pahamehana amin’izany. Tsy misy fijerena ny sosialim-bahoaka, fa werawera ahafahana manao propavandy sahady no ataon’ny mpitondra. 10 volana ve ahavitàna inona intsony e, hoy ny maro? eo isika mahita izy, hoy ilay fiteny izay.

www.gvalosoa.net/2022/12/06/edito-6-desambra-hanao-fety-ao-anaty-fahantrana-sy-haizina-ny-malagasy/

http://www.gvalosoa.net/2022/12/06/edito-6-desambra-hanao-fety-ao-anaty-fahantrana-sy-haizina-ny-malagasy/

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Talata 6 Desambra 2022.
Ho hitanao koa ao amin'ny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
Ivereno ireo laharana rehetra ao amin’ny rohy
www.gvalosoa.net/tahiry/
... TohinyFintinina

7 ora lasa

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Talata 6 Desambra 2022.
Ho hitanao koa ao aminny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
Ivereno ireo laharana rehetra ao amin’ny rohy
http://www.gvalosoa.net/tahiry/

ONTSA ANAO AHO RY MINISITRA !

Ontsa anao aho ry minisitra izay miketrika ampamoaka,
Ka mikasa hampiboridana ireo tale ambaninao,
Satria tsy hafa fa ianao no efa hohain’ireo vahoaka,
Noho ny ketrika maloto izay nataonao tao ho ao!

Orinasam-panjakana efa tsy maharin-tena
No hohazanao indray ka dia terena hividy fiara?
Hay dia resabe hatrany, nofonosina hafetsena,
Ny amin’ity ilay kolontsaina ho amin’ny mangarahara?

Ontsa anao aho ry minisitra mihevitra ny mbola hangorona,
Nefa maro ireo vahoaka no efa tena mitaraina.
Izy ireo hatrany hatrany no tsy maintsy lasa sorona,
Fa ianao miletra irery sady tena mandry saina?

Ontsa anao aho ry minisitra fa toa toy ny zazakely,
Ity ianao miserasera ary anaty fesiboky!
Raha ny momba anao anefa, be ny vaovao miely,
Ka meteza hisaina kely ry tsy mahalala voky!

IRINA HO TAFITA (30-11-22)

www.gvalosoa.net/2022/12/01/ontsa-anao-aho-ry-minisitra/

fb.watch/h7E2MHR4oE/
... TohinyFintinina

5 andro lasa

http://www.gvalosoa.net/2022/12/01/ontsa-anao-aho-ry-minisitra/

https://fb.watch/h7E2MHR4oE/

Comment on Facebook ONTSA ANAO AHO RY ...

Tena mba sahy le minisitra

Enjana zany 😮

Lany henatra

Ampireto ny jiro sy poto hoy Samoela

Ka tsy isan'ireo vesatra niampanga an'ireo efa gagazo ve ny fandraisana tombotsoa miohapampana e?

View more comments

Vehivavy TIM ANALAMANGA – Hanao fihaonambe ny sabotsy izao ao Bel’Air Ampandrana

Valosoa

Tsy mipetra-potsiny ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), fa efa mihetsika avokoa ireo rantsana manerana an’i Madagasikara. Manoloana izany indrindra dia hifamotoana ireo vehivavy TIM Analamanga, ao amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM ao Bel’Air Ampandrana ny sabotsy izao manomboka amin’ny 9ora sy sasany maraina. Ny tanjona amin’izany dia ny handraisana ny toromarika avy amin’ny birao politika nasionaly manoloana ny fiatrehana ny raharaham-pirenena sy ny fifidianana ho avy ny taona 2023.

Ao anatin’ny fankalazàna ny faha 20 taona nisian’ny TIM, izay ao anatin’izany ny vehivavy TIM, ka dia miandry ny toromarika koa izy ireo ao anatin’izany rehetra izany. Nanambara ny filoha vonjimaika ny vehivavy TIM Analamanga, Rahelisoa Arphine fa tokana ny tanjona ho an’ireo vehivavy mahatsapa ny zavamisy ankehitriny dia ny hametraka indray, ny filoha Marc Ravalomanana hitantana ny firenena izay latsaka lalina ao anaty fahantrana.

Manentana ireo zoky efa tao anatin’ny vehivavy TIM, ireo mpikatroka rehetra ary izay manam-paniriana hiditra ho vehivavy TIM izy ireo fa ho raisina an-tanandroa satria ny firaisan-kina no hery. Manentana ny rehetra hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana koa ny Vehivavy TIM Analamanga ary ho mailo amin’ny fanaraha-maso izany lisitry ny mpifidy izany.

www.gvalosoa.net/2022/12/01/vehivavy-tim-analamanga-hanao-fihaonambe-ny-sabotsy-izao-ao-belair-am...

http://www.gvalosoa.net/2022/12/01/vehivavy-tim-analamanga-hanao-fihaonambe-ny-sabotsy-izao-ao-belair-ampandrana/

Comment on Facebook Vehivavy TIM ...

Ho fenoiny zandarme sy police indray zao ny manodidina a!Mataho-behivavy anie ireo e!??haaaaaaa....!

Fenoarivo Atsinanana – Misy tsy milamina ny famoahana didim-pitsarana hoy ny RPSD

Nangonin’Isambilo

Tafaresaka tamin’ny filoha nasionalin’ny antoko RPSD, Andriantsizehena Benja Urbain, na Bebain, ny gazety ny Valosoa Vaovao, mahakasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana.

Tamin’izany aloha no nampahatsiahivany ny tantaran’ity antoko. Ny RPSD hoy izy dia nijoro tamin’ny taona 2012, filoha telo no nifandimby nitantara azy: Itompokolahy Tsiranana Pierre, zanaka lahimatoa ny President Tsiranana, ny faharoa Marson Evariste efa ministra, depiote koa… Ny filoha faha-3 amin’izao fotoana dia Andriantsizehena Benja Urbain dit “Bebain”, efa mpikambana tao amin’ny Kôngresy ny Tetezamita, nitazona ny filoha lefitra Faritany Fianarantsoa, efa depiote tao Manakara. Maro koa ny andraikitra notazoniny tao amin’ny Antenimierandoholona, governemanta, Antenimierampirenena.

Mahakasika ny toeran’ny antoko RPSD amin’izao fotoana, nilaza ity mpanao politika ity, fa miandry ny fanapahankevitry ny birao politika sy ny kôngresy izay hatao tsy ho ela ny ao amin’ity antoko ity. Mikasika ny fifidianana ho avy, manentana ny rehetra hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana ny filoha nasionalin’ny antoko RPSD.

Fa ankoatra izany, araka ny tatitra avy amin’ny mpikambana ao amin’ity antoko ity, voarainy avy any Fenoarivo Atsinanana faritra Analanjirofo, misy tsy milamina ny famoahana didim-pitsarana any an-toerana, ka iangavian’izy ireo ny tompon’andraikitra, hanokatra fanadihadiana mahakasika izany.

www.gvalosoa.net/2022/12/01/fenoarivo-atsinanana-misy-tsy-milamina-ny-famoahana-didim-pitsarana-h...

http://www.gvalosoa.net/2022/12/01/fenoarivo-atsinanana-misy-tsy-milamina-ny-famoahana-didim-pitsarana-hoy-ny-rpsd/

Fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana – Tsy sahy miteny ny fitondrana ny Ceni sy ny Hcc hoy Rina

Ny Valosoa

Fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana ataon’ny fitondrana Rajoelina amin’izao fotoana, tsy sahy miteny ny fitondrana ny CENI sy ny HCC hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM, Rina Randriamasinoro. Tazanin’ny Ceni fotsiny izany fandikan-dalàna ataon’ny mpitondra izany hoy izy, tsy mahagaga ny fahefana mpanatanteraka raha hitazana an’ireny satria izy no lehibe manatanteraka an’ izay.

Hitantsika tao anatin’iny fisehoana tany Manakara faritra Fitovinany farany teo iny hoy i Rina, ny vadin’ny filohan’ny Ceni nanatrika an’iny fotoana iny. Ny tiana ho resahana ao anatin’izay dia lasa mipetraka mihintsy ny ahiahy hoe “ny Ceni amin’izao fotoana ve tena hanao fifidianana madio sa rafitra natsangana hampandany kandida an’ny fitondrana amin’ny fifidianana manaraka ho avy eo. Hoy indrindra izy: “raha manontany ianao hoe inoana ireny zavatra nisy ireny, pre- campagne ve ireny? ireny dia vokatry ny lalàna tsy misy, hoy ity mpikambana ao amin’ny birao politika nasionalin’ny TIM ity. Izay anie no takianay hoe ataovy manara-dalàna io resaka pre-campagne io, mba hahafahana mifehy ny eo amin’ny fitondrana. Fa ahoana izy no afaka manao an’ireny fihetsiketsehana rehetra ireny, firy volana mialohan’ny fotoana dia maninona ny hafa tsy mahazo manao?”

www.gvalosoa.net/2022/12/01/fampielezan-kevitra-mialohanny-fotoana-tsy-sahy-miteny-ny-fitondrana-...

http://www.gvalosoa.net/2022/12/01/fampielezan-kevitra-mialohanny-fotoana-tsy-sahy-miteny-ny-fitondrana-ny-ceni-sy-ny-hcc-hoy-rina/

Comment on Facebook Fampielezan-kevitra ...

Namany

Salama. Raha mila fampindramam-bola haingana sy azo antoka ary azo itokisana ianao dia mifandraisa aminay raha mila fanazavana fanampiny.

Sazy amin’ny fanitsakitsahana lalàna – Tsy misy sahy manasazy ireo andrim-panjakana na filohana andrim-panjakana

Andry Tsiavalona

Tsy maintsy halentika ao an-tsain’ny olompirenena hatrany ny fomba fitantanan’izao fitondrana tarihan-dRajoelina Andry ny firenena izao, mba tsy hiverenany amin’ny fisainana fa tsy hitondra fivoarana sy fanovana ny fiainam-pirenena sy ny fiainam-bahoaka ny safidiny eo amin’ny vato harotsany amin’ny fifidianana.

Amin’izao fotoana izao dia tsy misy sahy mandray ny andraikitra tokony ho raisiny mihitsy ireo andrim-panjakana na filohana andrim-panjakana, manana fahefana hanasazy na hanala amin’ny toerany ireo manitsakitsaka lalàna sy minia mikimpy amin’ny fibolisarana ataon’ny olom-boafidy na olom-boatendry. Etsy an-kilany kosa ny manampahefana dia misambotra sy managadra na mampihorohoro ny tsy ao anatin’ny fitondrana kanefa sahy mamotsipotsitra sy mampahafantatra ny fihetsika sy ataon’ny tsy mataho-tody mambotry firenena sy mampijaly vahoaka. Iaraha-mahita ary iainan’ny olompirenena maro ny fibodoana tany ataon’ny olona teratany na vahiny izay mandroaka olona eo amin’ny tany najariany mandritra am-polotaona maro. Ny loza dia misy ireo lazaina fa mpiaro ny vahoaka ny ny fanany tonga eny an-toerana miaraka amin’ny vadintany manala ireo mponina. Porofon’izany ny raharaha teny Antanandrano izay tombotsoan’ny vahiny no narovana kanefa fianakaviana an-jatony kosa no notadiavina noroahina.

Tsiahivina ny vola an-tapitrisa maro tao anaty baoritra tratra tao anaty fiaran’ny olomboafidy iray izay mbola nanome alàlana fitanterana, tsy misy fetra, voamboana tany amin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Raha fintinina dia azo lazaina fa mpamerin-keloka izany ity olomboafidy ity. Mety manao asa sosialy eny amin’ny boriborin-tany nahavoafidy azy itony olona itony, hanafenana ny fambotriana ny Firenena, kanefa sarotra ny hihevitra fa mbola handatsa-bato ho an’ny olona toy izany ny vahoaka.

Sarotra ny hanadino ny “mazia” tao amin’ny Minisiteran’ny Harena an-Kibon’ny Tany ka volamena enina ambitelopolo kilao no mivadika ho takela-by. Ny zavatra hita dia sarimihetsika no tohin’ity tantara ity ka ho toy ny volamena izay nanjavona ihany ary “mitohy ny fanadihadiana”. Nanangana orinasa SPE ny mpitondra, fantatra fa ilay mpanefoefo eo an-kavanan’ny filohan’ny Repoblika no eo amin’ny fitantanana izany. Amin’izao fotoana izao dia ity orinasa ity no manao am-pihimamba ny fanafarana entana sy fanangonana ary fanondranana ireo vokatra tena mampiditra vola vahiny ho an’ny Firenena. Mampijaly: tsy ny mpamokatra amin’ny fividianana ny vokatra mora ihany fa ireo mpanangom-bokatra madinika koa.

Vao omaly ny omaly no nivoaka ny vaovao momba ilay tranoben’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolotsaina any Morondava izay nandaniana dimy miliara ariary ary nanaovana tolotrasa ara-pifanarahana (passation de gré à gré) izay mifanohitra amin’ny lalàna mifehy ny tolotrasam-panjakana. Tsy takona hafenina intsony ny famoriam-bahoaka ataon’ny filohan’ny Repoblika sy ny antoko eo amin’ny fitondrana izay manao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana.

Tsy vao izao ny tranga eo amin’ny Antenimieram-pirenena ny fahataran’ny fahatongavan’ny lalàna momba tetibola ho amin’ny taona manaraka. Tsy vitan’izany fa tsy misy telopolo andro fa andro vitsivitsy no andinihana izany ka maro amin’ireo depiote no tsy mahafantatra izay tena voasoratra ao ka tsy mahay afa tsy ny mangataka fananganan-tànana ho fandaniana ny volavolan-dalàna. Raha tena mandray ny andraikitra napetraka taminy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia mijery ireny hetsika rehetra ireny (constat) fotsiny dia mamoaka didy fanesorana ny filohan’ny Repoblika eo amin’ny toerany. Tsy mbola sahy miroso amin’izany anefa ity Andrim-panjakana ity satria mamy loatra ny seza sy ny vola ka minia mikipy eo anolohan’izany fahotana mahafaty ataon’ny mpitondra izany.

Nalaza tanteraka ity raharaha Jirama ity tato anatin’ny herinandro vitsivitsy izay misy fifanitsahana andraikitra eo amin’ny Minisitera sy ny Orinasam-pirenena Jirama. Sahirana ny olompirenena satria tsy fantatra intsony iza no manao inona ary iza no tena manodikodim-bola ao amin’ity orinasa ity. Raha ny vaovao vao omaly dia voasaringotra amin’ity fanodikodinam-bola ity na ny mpitantana ny minsitera na ny mpitantana ambony ao amin’ny orinasa. Raha izany ny toe-javatra dia araka ny fanaon’izao fitondrana izao dia ny manilika ny andraikitra any amin’ny hafa foana.

Marary ity Firenena ity, marary saina ny mpitondra, malemin’ny fahantrana ny vahoaka, araka izany dia mila tsaboina ireo aretina mikiky eto Madagasikara ireo kanefa raha ireo tomponandraikitra amin’izao fotoana izao no antenaina dia hihombo ny aretina.

www.gvalosoa.net/2022/12/01/sazy-aminny-fanitsakitsahana-lalana-tsy-misy-sahy-manasazy-ireo-andri...

http://www.gvalosoa.net/2022/12/01/sazy-aminny-fanitsakitsahana-lalana-tsy-misy-sahy-manasazy-ireo-andrim-panjakana-na-filohana-andrim-panjakana/

Comment on Facebook Sazy amin’ny ...

Nous offrons des crédits de prêt à toute la communauté malgache pour les porteurs de projets rentable. Envoyer nous un message en cas du prêt fiable et crédible.

EDITO 1 Desambra – Manara-penitra, tsy manara-penitra no misy

Sôh’son

Hopitaly manara-penitra, EPP manara-penitra, Tranoben’ny Kolontsaina manara-penitra no malaza ankehitriny. Firy tamin’ireo voalaza fa fotodrafitr’asa manara-penitra nanaovana werawera nanomboka tamin’ny tetezamita moa no tena mamaly izany hoe fenitra izany? Toa manara-penitra, tsy manara-penitra izy ireny. Firy tamin’ireo fotodrafitrasa ireo no efa simba sy nirodana sahady, firy tamin’ireo no tsy azo nampiasaina akory satria “tsy manara-penitra” araka ny anarany?

Ankehitriny, Oniversite manara-penitra indray izao no hanaovana werawera hoe ataon’ny mpitondra. Mazava ho azy amin’izany fa propagandy no tena tanjona, nefa volam-bahoaka no lanilany fotsiny. Ny olana misy eny amin’ireo Oniversite 6 manerana ny Faritany aza tsy misy vahaolana (trano fonenan’ny mpianatra, vatsim-pianarana, karaman’ny mpampianatra). Vahoaka noana tsy manan-kohanina, marary tsy afaka mitsabo tena ve no ndeha hanovo fianarana eny amin’ny Oniversite mody lazaina hoe manara-penitra?

Mpampianatra any amin’ny fanabeazana fototra sy ambaratonga faharoa aza tsy ampy, nohon’ny tsy fahampian’ny vola tokony homen’ny fanjakana, koa Oniversite manara-penitra no hidedahana? Hanafatra mpampianatra hono, kanefa ireo malagasy manam-pahaizana aza mitsaoka any ivelany daholo izay afaka, fa kely ary tsy mahavelona ny karama, mpanao bizina sy politique daholo ny mahazo ny mamy rehetra, ary izy ireo ihany sisa no tena afaka miwerawera sy miliba manana villa sy fiara tena raitra, fa ny malagasy maro an’isa, dia efa tena sahirana mitady ny sakafo ho arapaka isan’andro.

Tena maha lasa eritreritra sy mampalahelo ny zava-misy ankehitriny, manarapenitra nefa tsy araka izay ny zavatra misy toy ny seho tany Morondava, rava tanteraka ilay nolazaina fa manaraka ny fenitra.

www.gvalosoa.net/2022/12/01/edito-1-desambra-manara-penitra-tsy-manara-penitra-no-misy/

http://www.gvalosoa.net/2022/12/01/edito-1-desambra-manara-penitra-tsy-manara-penitra-no-misy/

Comment on Facebook EDITO 1 Desambra –...

Efa nianaran’ireto olon’ny Fitondrana rehetra ireto ny fampiasana ny Voambolana mahasodoka amin’ny FOMBA SY FAHENDRENA MALAGASY, HANAKONANY SY HILALAOVANY NY VAHOAKA AMIN’NY RATSY REHETRA TANTERAHINY SY HASEHONY ! Voaporofo amin’izay ATAONY rehetra izany ! TSY HO VOAFITANY AMIN’IZANY INTSONY ANEFA ISIKA !

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Alakamisy 1 Desambra 2022.
Ho hitanao koa ao amin'ny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
Ivereno ireo laharana rehetra ao amin’ny rohy
www.gvalosoa.net/tahiry/
... TohinyFintinina

5 andro lasa

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Alakamisy 1 Desambra 2022.
Ho hitanao koa ao aminny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
Ivereno ireo laharana rehetra ao amin’ny rohy
http://www.gvalosoa.net/tahiry/

TSY AZO EKENA. MIALÀ DAHOLO IANAREO AO AMIN’NY CENI AO. ... TohinyFintinina

6 andro lasa

TSY AZO EKENA. MIALÀ DAHOLO IANAREO AO AMIN’NY CENI AO.

Comment on Facebook CENI - TSY HANAO ...

ooossssseeeeehhh vaovao manaraka koa zegny tandrignesa baka 😅😅😅

Aleo tokoa tsy misy Ceni e!

matoa ianareo tsy ampy vola dia tsy nahazo ny fanohanan'ny PTF fa ny fanjakana ihany (izay efa fantatra fa tsy ho ampy) ary matoa izany ny zavamisy dia angamba tsy hanana'ny PTF fahatokisana! ka aleo manova fomba fiasa hahazo izany!

Kkkkkk mafy ny ady de amorona fika

Io ndray le cinema

😳 Tsy ampy kosa ny vola koa 😒😒 Lasa any @Présidence ny budgets tokony ho any @andrim-panjakana sasany 😐

View more comments

SAO DIA SOLOMBAVAN-GISA ?

Zava-tsy hahasoa vahoaka no lanian’ny maro an’isa.
Izay no baiko avy any ambony ka tsy maintsy tanterahina?
Solombava o! mandiniha fa aza mifanahin-gisa.
Voky pirina va re ka lasa jamba na koa pahina?

Efa tsy hainareo intsony ny manilika ny ratsy
Ve ry gisa lava tenda falifaly ny mihoaka?
Marobe ireo tena noana sy efa tena lany vatsy,
Nefa mainka ampijaliana ho bokan-trosa ny vahoaka?

Teti-bola mampahantra, sady tena tsy hampivoatra,
No terena holaniana sy hankatoavina maimaika?
Maro ny hambo diso toerana, hadedahana be loatra,
Ka mandeha any amin’ny tsy izy na ny tetika na paika!

Ny tarehy no hosora-menaka mba ho mandina, madio,
Kanefa kibon’ny vahoaka no manomboka mivonto!
Dia nalefa indray ny tsindry hoe avy hatrany dia lanio
Ity teti-bola peta-toko mampalaza an’ireo donto?

…Izay tsy donto kosa izany, omena alalana hitoraka,
Sa dia tena ho enjehina ary mainka koa hazaina?
Hatreto aloha ‘nareo mpitondra dia efa hita ho mivoraka,
Satria tsy maintsy hangorona entana f’efa volana no isaina!

TSIMIMALO (28-11-30)

www.gvalosoa.net/2022/11/29/sao-dia-solombavan-gisa/
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

http://www.gvalosoa.net/2022/11/29/sao-dia-solombavan-gisa/

Ambovombe Androy – Nanafika tao an-tampon-tanàna ny dahalo

Niaina

Efa tena sahy mihitsy ireo dahalo any amin’ny faritra Androy any, nanafika tao an-tampon-tanànan’Ambovombe renivohitry ny faritra omaly vao maraina ny dahalo. Taxibrousse iray mampitohy an’Ambovombe sy Fort- Dauphin, niainga voalohany tao Ambovombe omaly alatsinainy tamin’ny 03 ora maraina, no notafihan’ny dahalo tao afovoan-tanàna akaikin’ny Oniversiten’Ambovombe.
Naratra ny mpamily, voaroba ny mpandeha. Tsy nisy ny aina nafoy.
Efa manao ny fanarahan-dia ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao

www.gvalosoa.net/2022/11/29/ambovombe-androy-nanafika-tao-an-tampon-tanana-ny-dahalo/
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

Ambovombe Androy – Nanafika tao an-tampon-tanàna ny dahalo

Niaina

Efa tena sahy mihitsy ireo dahalo any amin’ny faritra Androy any, nanafika tao an-tampon-tanànan’Ambovombe renivohitry ny faritra omaly vao maraina ny dahalo. Taxibrousse iray mampitohy an’Ambovombe sy Fort- Dauphin, niainga voalohany tao Ambovombe omaly alatsinainy tamin’ny 03 ora maraina, no notafihan’ny dahalo tao afovoan-tanàna akaikin’ny Oniversiten’Ambovombe.
Naratra ny mpamily, voaroba ny mpandeha. Tsy nisy ny aina nafoy.
Efa manao ny fanarahan-dia ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao

http://www.gvalosoa.net/2022/11/29/ambovombe-androy-nanafika-tao-an-tampon-tanana-ny-dahalo/

Morondava faritra Menabe – Nirodana ny Tranobe ny Serasera

Niaina

Nirodana ny faran’ny herinandro teo ny Tranobe ny Serasera sy ny Kolontsaina any Morondava faritra Menabe, trano izay efa nisy nitriatra fotoana maromaro lasa izay.

Araka ny fanambarana nataon’ny ao anivon’ny ministera tompon’andraikitra, nirodana vokatry ny orana sy ny rivotra nifofofofo ary ny andro ratsy nitranga tany an-toerana izany trano izany. Araka ny fanamarinam-baovao natao anefa, ny mponina any an-toerana dia nanambara, fa maina ny tany any Menabe ary mitady orana mihitsy aza ry zareo.

Tsy manara-penitra araka ny filazana azy arak’izany ilay trano natao, fa trano vitavita fahatany fotsiny matoa nirodana toy izao. Tsy afa-miala amin’izany ny orinasa nanao ny trano, fa tsy afa-miala koa ny ministera tompon’andraikitra, tokony ho nanara-maso ny naha-ara-dalàna sy nampanara-penitra ny fanorenana izy ireo.

Arak’izany, nisy indray ny vandy noforonin’ny ao amin’ny ministera amin’ity raharaha ity. Aza fahanana lainga lava ny vahoaka e!

www.gvalosoa.net/2022/11/29/morondava-faritra-menabe-nirodana-ny-tranobe-ny-serasera/

http://www.gvalosoa.net/2022/11/29/morondava-faritra-menabe-nirodana-ny-tranobe-ny-serasera/

Mpivarotra any Mahajanga – Tsy manaiky fampakarana avo 10 heny ny tamberim-bidy

Niaina

Tsy manaiky ny fampakarana tamberim-bidy sy mihoa-pampana amin’izy ireo, ireo mpivarotra any Marolaka Mahajanga faritra Boeny. Ho fanoherana izany, nilanja sorabaventy ireto mpivarotra ireto omaly. Nidangana efa ho avo 10 heny be izao ny fiakaran’ny tamberim-bidy (ristourne), izay takiana amin’ny mpivarotra any amin’ny faritra Boeny. Nanao antso fidinana andalambe arak’izany ireto mpivarotra ireto, mba hanairana ny tompon’andraikitra.
Marihina fa 20 Ar teo izany tamberim-bidy izany teo aloha, kanefa izao lasa nidangana ho 200 Ar be izao, izany hoe nahitana fiakarany avo folo heny be izao. Tsy any Mahajanga ihany, io fanararaotana fakana vola amin’ny mpivarotra na amin’ny mponina amin’ny mponina io, fa misy izany koa eto Antananarivo, toy ny fidanngan’ny hetran-trano izay alain’ny kaominina ihany koa, tsy zakan’ny ankamaroan’ny mponina.

www.gvalosoa.net/2022/11/29/mpivarotra-any-mahajanga-tsy-manaiky-fampakarana-avo-10-heny-ny-tambe...
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

Mpivarotra any Mahajanga – Tsy manaiky fampakarana avo 10 heny ny tamberim-bidy

Niaina

Tsy manaiky ny fampakarana tamberim-bidy sy mihoa-pampana amin’izy ireo, ireo mpivarotra any Marolaka Mahajanga faritra Boeny. Ho fanoherana izany, nilanja sorabaventy ireto mpivarotra ireto omaly. Nidangana efa ho avo 10 heny be izao ny fiakaran’ny tamberim-bidy (ristourne), izay takiana amin’ny mpivarotra any amin’ny faritra Boeny. Nanao antso fidinana andalambe arak’izany ireto mpivarotra ireto, mba hanairana ny tompon’andraikitra.
Marihina fa 20 Ar teo izany tamberim-bidy izany teo aloha, kanefa izao lasa nidangana ho 200 Ar be izao, izany hoe nahitana fiakarany avo folo heny be izao. Tsy any Mahajanga ihany, io fanararaotana fakana vola amin’ny mpivarotra na amin’ny mponina amin’ny mponina io, fa misy izany koa eto Antananarivo, toy ny fidanngan’ny hetran-trano izay alain’ny kaominina ihany koa, tsy zakan’ny ankamaroan’ny mponina.

http://www.gvalosoa.net/2022/11/29/mpivarotra-any-mahajanga-tsy-manaiky-fampakarana-avo-10-heny-ny-tamberim-bidy/

TIM Toliara – Manomana fatratra ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko

Stefa

Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra hankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Araka ny fandaharam-potoana manaraka dia ny any amin’ny faritra Atsimo Andrefana indray, no handray izany fanamarihana izany amin’ny volana desambra ho avy io.

Efa manomana fatratra izany fankalazana tsingerin-taona izany, ireo mpitarika sy ireo mpikatroka ao amin’ity antoko ity any amin’ny renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana. Ny faran’ny herinandro teo, ny fivoriana izay nataon’izy ireo dia natao tao amin’ny Magro Andaboly. Arak’izany, andrasana any amin’ny tanànan’ny Masoandro indray, amin’ny volana desambra ho avy io ny filoha mpanorina sady filoha nasionalin’ny antoko, Marc Ravalomanana.

www.gvalosoa.net/2022/11/29/tim-toliara-manomana-fatratra-ny-fankalazana-ny-faha-20-taonanny-antoko/
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

TIM Toliara – Manomana fatratra ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko

Stefa

Mitohy hatrany ny fitetezam-paritra hankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Araka ny fandaharam-potoana manaraka dia ny any amin’ny faritra Atsimo Andrefana indray, no handray izany fanamarihana izany amin’ny volana desambra ho avy io.

Efa manomana fatratra izany fankalazana tsingerin-taona izany, ireo mpitarika sy ireo mpikatroka ao amin’ity antoko ity any amin’ny renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana. Ny faran’ny herinandro teo, ny fivoriana izay nataon’izy ireo dia natao tao amin’ny Magro Andaboly. Arak’izany, andrasana any amin’ny tanànan’ny Masoandro indray, amin’ny volana desambra ho avy io ny filoha mpanorina sady filoha nasionalin’ny antoko, Marc Ravalomanana.

http://www.gvalosoa.net/2022/11/29/tim-toliara-manomana-fatratra-ny-fankalazana-ny-faha-20-taonanny-antoko/

FIFA World Cup Qatar 2022 – Mitantara mivantana ireo lalao rehetra ny MBS Radio FM 95.4

Isambilo

Tsy ho diso anjara amin’ny fanarahana mivantana amin’ny alalan’ny onjampeo ireo lalao rehetra amin’ny Mondial 2022 atao any Qatar, na ny FIFA World Cup Qatar 2022, eo amin’ny baolina kitra, ireo izay mihaino ny MBS Radio FM 95.4 Mhz.

Tantaraina mivantana ao amin’ity onjampeo ity avokoa ireo lalao rehetra amin’ity fiadiana ny amboara eran-tany ho an’ny ekipam-pirenena eo amin’ny baolina kitra ity. Mitarika izany fitantarana izany ny mpanao gazety isany ao amin’ity onjampeo tsy miankina ity: Rufin Rakotomaharo, Rina Rabemananjara, Faniry Razafy, Avotra Solondraibe ary Mario.

Arak’izany, ho ara-potoana no hanarahan’ny rehetra ireo lalao rehetra atao amin’ny Mondial any Qatar, noho izay fampiainana mivantana ny lalao ataon’ny ekipan’ny MBS Radio izay.

www.gvalosoa.net/2022/11/29/fifa-world-cup-qatar-2022-mitantara-mivantana-ireo-lalao-rehetra-ny-m...
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

FIFA World Cup Qatar 2022 – Mitantara mivantana ireo lalao rehetra ny MBS Radio FM 95.4

Isambilo

Tsy ho diso anjara amin’ny fanarahana mivantana amin’ny alalan’ny onjampeo ireo lalao rehetra amin’ny Mondial 2022 atao any Qatar, na ny FIFA World Cup Qatar 2022, eo amin’ny baolina kitra, ireo izay mihaino ny MBS Radio FM 95.4 Mhz.

Tantaraina mivantana ao amin’ity onjampeo ity avokoa ireo lalao rehetra amin’ity fiadiana ny amboara eran-tany ho an’ny ekipam-pirenena eo amin’ny baolina kitra ity. Mitarika izany fitantarana izany ny mpanao gazety isany ao amin’ity onjampeo tsy miankina ity: Rufin Rakotomaharo, Rina Rabemananjara, Faniry Razafy, Avotra Solondraibe ary Mario.

Arak’izany, ho ara-potoana no hanarahan’ny rehetra ireo lalao rehetra atao amin’ny Mondial any Qatar, noho izay fampiainana mivantana ny lalao ataon’ny ekipan’ny MBS Radio izay.

http://www.gvalosoa.net/2022/11/29/fifa-world-cup-qatar-2022-mitantara-mivantana-ireo-lalao-rehetra-ny-mbs-radio-fm-95-4/

Comment on Facebook FIFA World Cup Qatar...

Ohatran’ny mihaino RNM izany mihaino an-jareo. Mankasitraka e!

Germain koa henoko omaly..Poatsatroka hoan'i Ruffin..miaiky ny fahaizany ny zafikeliko ..

Mahafinaritra no Moreno i riphe rakotomaro sy faniry razafimanantany mitatara vola e

Mankasitraka e! N'a Tsy mahita aza maso any ambanivohitra any de mahaeno ny sofina e

Naverina eny Antanimora i Malama – Lasa anenjehana azy koa ny sarin’ny valizin’ny Filoha

Niaina

Naverina eny amin’ny fonjan’Antanimora i Malama, na Mahery Lanto Manandafy, rehefa avy niakatra teny amin’ny Fitsarana omaly. Natao fanadihadiana lalina tao amin’ny mpitsara mpanao famotorana izy nandritra izany. Hanenjehana ity mpanao politika, mpisintona lakolosy ity dia izy namoaka vaovao tamin’ny tambazotran-tserasera sosialy facebook, fa misy teratany vahiny mamatsy bala ny dahalo.

Io vazaha io no nitory azy noho ny hoe fanalam-baraka sy fampielezana vaovao tsy marina, ka nisamborana azy. Tsy mbola nohadihadiana ilay vazaha, izay efa nametrahan’i Mahery Lanto Manandafy fitoriana ihany koa, satria nandrahona azy ho faty. Ny raharaha mahakasika ity Vazaha ity sy i Mahery Lanto Manandafy dia anisan’ny ahatsapana ny fitanilan’ny fitsarana eto amintsika, ilay Vazaha nitory, tonga dia niakatra ny raharaha, fa i Mahery Lanto sy ny fianakaviany nitory kosa, dia odian’ny mpitondra sy ny fitsarana fanina fotsiny izao izany raharaha izany.

Mahakasika ity raharaha ity ihany, niampy indray ny vesatra anenjehana an’i Mahery Lanto, ny resaka famoahana sary ny valizin’ny filoha indray no nanaovana fanadihadiana azy omaly, teny Anosy. Nohadihadian’ny mpitsara mpanao famotorana izy, noho ny fanaparitahana sarin’ny valizin’ny Filoham-pirenena tamin’ny tambazotran-tserasera. Olona miisa roapolo no voarohirohy tamin’io raharaha io. Mpiasa eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny roa, lehilahy iray, teratany malagasy, mpamily fiaran’ny ambasady any Frantsa, ary olona 17 hafa. Tsy anisan’ny voaantso natao fanadihadiana niaraka tamin’ireo olona ireo i Mahery Lanto Manandafy, tamin’ny fotoan’androny. Notazomina am-ponja any Tsiafahy ilay mpamily fiara, raha toa ka nomena fahafaha vonjimaika ny ambiny.

Mivoatra ny raharaha ankehitriny, ary lasa mahasaringotra an’i Mahery Lanto Manandafy indray ny valizin’ny Filoham-pirenena. Nilaza moa ity farany, araka ny famoaham-baovao nataon’i Doris Rakoto Samuel vadiny, fa raha mbola misy famotehana fiainan’olona toy izao, dia hijoro hatrany ny tenany.

Naverina eny Antanimora nitazomana azy nanomboka ny 30 septambra 2022, noho ny ampamoaka nataony tamin’ny Facebook, fa misy vahaza mamatsy bala ny dahalo i Mahery Lanto Manandafy, taorian’ny nanadihadiana azy teny Anosy omaly maraina. Andrasana ny ho fivoaran’ity raharaha ity.

www.gvalosoa.net/2022/11/29/naverina-eny-antanimora-i-malama-lasa-anenjehana-azy-koa-ny-sarinny-v...

http://www.gvalosoa.net/2022/11/29/naverina-eny-antanimora-i-malama-lasa-anenjehana-azy-koa-ny-sarinny-valizinny-filoha/

Ambatolampy Tsimahafotsy – Renimpianakaviana namoy ny ainy noho ny fakana ny taniny

Helisoa

Tranga mampalahelo no niseho teny amin’ny kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, fokontany Amparafarantany, distrikan’Ambohidratrimo, vokatry ny fakàna ny tanin’i Dadasolo sy ny taranany, izay efa nipetrahany nandritra ny 50 taona mahery.

Ny taona 1968 i Dadasolo no tonga nanajary ny tany tao an-toerana. Nisy ny dingana maro izay efa nataony toy ny fangatahana Prescription acquisitive (PA), izay azony soa amantsara ahafahany manajary ny tany. Avy eo izy nanohy ny dingana ahazoany tanteraka ny tany tato aoriana. Nandritra ny nipetrahany teo, ireo fianakaviana tafo miisa 22 ahitàna fianakaviana miisa 170 mahery dia tsy nisy olana raha tsy tamin’ity taona ity, izay nahatongavan’ny olona iray milaza fa azy ny tany ary efa misoratra aminy tanteraka. Taitra teo ry Dadasolo mianakavy, ka nandeha nitalaho tany amin’ny governoran’Analamanga naneho ny alahelony, satria naheno ny fanambaràna nataon’ingahy governora teny Faravohitra izy ireo niteny hoe izay mitaraina mikasika ny resaka tany dia afaka mandray anareo aho. Tonga teny tokoa ry Dadasolo, fa hatreto aloha tsy nisy ny zavatra hita izay vahaolana narosony ho an’ireo nanamaintimolaly ny tany.

Ny alarobia 23 novambra 2022 vao maraina lasa teo dia tonga tao amin’ny fokontany Amparafarantany kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy ny vaditany niaraka tamin’ny andian’olona miisa 50 mahery ary zandary avy ao Ambohidratrimo tonga hitandro ny filaminana tamin’izany, nandrava trano miisa 22 tafo. Taitra ny mponina, nefa tsy hitany izay natao, satria avy hatrany dia fampiasan-kery no natao tamin’ireto fianakaviana ireto araka ny fanambaràna nataon’ireo nanatri-maso. Nisy ny renim-pianakaviana iray tratry ny tsy fahasalamana vadin’i Dadasolo no namoy ny ainy vokatry ny zavatra nanjo azy ireo, satria ny fananana kely nohariana nandritra ny taona maro no potika sy ravarava. Etsy ankilany, lasa tsy manan-kialofana izy ireo, ka nanamboatra trano sachet ipetrahana.

Mahalasa saina ny zavatra misy ankehitriny satria maro ny ady tany miseho eto amintsika, hany ka na manana titra ara-dalàna aza dia tsy mahamenatra no maka izany rehefa tsiriritin’ireo izay manana fahefana. Maika moa fa tany mbola eo andalam-pangatahan’ny Malagasy sahirana tsy manana ianteherana sy vola no notsiriritin’ny manambola dia lasany ambongadiny avy hatrany. Ho entina aiza ity firenena ity e? ny filoha ankehitriny nanambara fa tsy haka tanin’olona izy na iray metatra azy. Aiza izany ankehitriny?

www.gvalosoa.net/2022/11/29/ambatolampy-tsimahafotsy-renimpianakaviana-namoy-ny-ainy-noho-ny-faka...

http://www.gvalosoa.net/2022/11/29/ambatolampy-tsimahafotsy-renimpianakaviana-namoy-ny-ainy-noho-ny-fakana-ny-taniny/

Fiainan’antoko – Beazina amin’ny fahaiza-mitarika sy ny politika ny Tanora TIM

Isambilo

Manomana ireo solofo handimby ihany koa ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), eo amin’ny fanaovana politika eto amintsika. Beazina momba an’izay fanaovana politika izay, sy ny resaka fahaiza-mitarika ary fahaiza-mitantana amin’izao fotoana ny tanora ao amin’ity antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana ity.

Tontosa ny zoma sy ny sabotsy teo ny fiofanana nataon’ny Solontenan’ny Mpitarika Tanora Tiako i Madagasikara avy any amin’ny faritra Menabe sy ny tao amin’ny Distrikan’ Antananarivo Avaradrano. Nanatrika izany fanofanana izany ny filoha nasionalin’ny antoko Marc Ravalomanana, sy ny solontenan’ny birao politika ary ireo mpampiofana, nahitana depiote avy amin’ity antoko ity. Fanabeazana politika andiany faharoa izao natao teny Bel’Air izao. Nampahafantarina ireo tanora mpitarika tamin’izany ny asa sy ny fihetsika tokony hananan’izy ireo raha hanao politika, mba hahazoana fahefana. Ny fandresen-dahatra ny olona sy ny tanora mitovy aminy, amin’ny alalan’ny fihetsika sy ny fomba fiteny. Nampahafantarina azy ireo koa ny rafitry ny antoko politika TIM. Hiatrika fifidianana isika amin’ny taona ho avy, natoro ihany koa ny hahaizana ny olona tokony hofidiana, sy ny fandresen-dahatra mifandraika amin’izany. Tokony ho modely amin’ny asa sy ny fihetsika hoy ireo mpandaha-teny ny Tanora TIM.

Ankoatra izany, amin’ny maha-antoko politika azy, manana projet de société, na vinam-piarahamonina ny TIM, manaja ny rafitra demokratika, ka amin’ny alalan’ny fifidianana no hakany fahefana. Mbola hitohy ho an’ny tanora hafa, avy amin’ny distrika hafa eto amin’ny Nosy, izao fampiofanana momba ny politika sy ny fahaiza-mitarika homena ny Tanora TIM izao.

www.gvalosoa.net/2022/11/29/fiainanantoko-beazina-aminny-fahaiza-mitarika-sy-ny-politika-ny-tanor...

http://www.gvalosoa.net/2022/11/29/fiainanantoko-beazina-aminny-fahaiza-mitarika-sy-ny-politika-ny-tanora-tim/

Raharaha Gel sy Transparency International – Fitondrana sarotra diovina na hiaro tena toy ny inona aza

Sôh’son

Niezaka nanadio tenan’ny fitondrana ny minisitry ny serasera momba ny amin’ny raharaha Gel sy ny Transparency International mafana ankehitriny, izay misy fitoriana teny amin’ny fitsarana. Nambarany fa tsy misy idiran’ny fitondrana izany, izay toy ny milaza fa madio ny fitondrana ary tsy misy idirany io raharaha io. Fa tena madio tokoa ve ity fitondrana ity eo amin’ny fitantanam-pirenena tato anatin’ny efa-taona?

Niaraha-nandre sy nahalala tsara ny olom-pirenena, fa maro ireo zava-nitranga sy raharaha maloto nitranga teto amin’ny firenena tao anatin’izay nitondrany izay. Anisan’izany ny raharaha mbola tsy vita fanadihadiana na tsy mbola nisokatra mazava akory aza, ny tao Ikongo nahafatesana mpiray tanindrazana efa manodidina ny telopolo. Nisy rà latsaka sy aina nafoy tao anatin’izany. Fepetra noraisin’ny fanjakana tamin’ny alalan’ireo “mpitandro filaminana” tany an-toerana no nahatonga izany. Tsy hita mazava izay fanazavana nataon’ny fitondrana momba izany.

Andry Rajoelina teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena, nisy fotoana iray, nilaza tamin’ireo olona tonga tao mpanohana azy, izay nilazany fa tsy ekena intsony ny fandatsahan-drà na aina ny mpiray tanindrazana taorian’ny raharaha 07 Febroary. Izao anefa amin’ny fotoana hitondrany, mitranga izany. Toy izany ny raharaha fonja tany Farafangana, izay tsy hita ny niafaran’ny fanadihadiana. Toy izany koa ireo raharaha maro samihafa, ny nahafatesana mpianatra tany Toamasina sy Toliara, tsy hita izay fanadihadiana sy ny niafaràny. Ny resaka écran plat, ny famoahana volamena an-tsokosoko any Afrika Atsimo, Nosy Kômoro, Nosy Seychelles, Dubaï, sns… Ny fijerena fotsiny tsy nisy fepetra noraisina momba ny depiote IRD ny amin’ireo hazo sarobidy notaterina tsy ara-dalàna, ny resaka bala nambaran’i Malama nilazany ny amin’ilay vazaha, ka nampidirana am-ponja azy.

Mihevitra ve ny fitondrana fa hadio amin’ireo raharaha maizina tsy hita fanadihadiana mazava sy tsy hita fiafaràna ireo? Sarotra ny hahadio azy na dia hanao teny fampanantenana be sy fampiesonana vahoaka toy ny tany Manakara ireny aza. Mba miaro tena ny mpitondra teniny ka miaro tena, fa tsy hahadio azy intsony. Zava-tsarotra ny hanadio izao fitondrana izao, efa tandalerona loatra ny loto aminy.

www.gvalosoa.net/2022/11/29/raharaha-gel-sy-transparency-international-fitondrana-sarotra-diovina...

http://www.gvalosoa.net/2022/11/29/raharaha-gel-sy-transparency-international-fitondrana-sarotra-diovina-na-hiaro-tena-toy-ny-inona-aza/

EDITO 29 Novambra – Tsy misy tsy mikaikaika amin’ny tsy fandriampahalemana

Isambilo

Tsy misy tsy mikaikaika amin’ny tsy fandriampahalemana amin’izao fotoana ny eto amintsika, tsy ambanivohitra, tsy an-drenivohitra, fa tena mampiteny ny moana izany tsy filaminana izany eto amintsika. Vao tsy ela izay ny depioten’i Morondava, ny mpanakanto Tsiliva, no niantso ny tompon’andraikitra hatrany an-tampony, niantso azy ireo, hijery akaiky ity resaka tsy fandriampahalemana ity.

Mikasika izay antso nataon’ny depiote Tsiliva izay, tsy vitsy ireo nanakiana azy, sy ireo tompon’andraikitra any Menabe momba ity raharaha ity, satria rehefa hitsena kopi-kole Rajoelina ny mpitandro filaminana any an-toerana dia mahita solika nandehanana, fa rehefa ny vahoaka tratran’ny tranga fanafihana no miantso dia voalaza fa tsy misy solika ireo mpitandro filaminana ireo.

Nampakapeo noho izay resaka tsy fandriampahalemana izay ihany koa vao omaly, ny mpanao gazety any Morondava faritra Menabe, noho ny tsy fandriampahalemana amin’ny endriny hafa kosa indray, mpitandro filaminana nanampatra fahefana sy herisetra tamina mpanao gazety tany an-toerana. Toherina tanteraka hoy izy ireo ny tranga toy izany, na inona na inona mety ho hadisoana nataon’ilay mpampita vaovao manao ny asany.

Noho izay halatra, fanafihana mitam-piadiana, vonoan’olona, izay mahazo vahana ihany koa tany Toamasina faritra Atsinanana tato ho ato, nijoro nampakapeo sy nanaitra ireo tompon’andraikitra koa ireo mpanao gazety any Toamasina, mivondrona ao amin’ny AJT. Tsy hisy fampandrosoana sy fitonian-tsaina ny vahoaka raha tsy misy ny fandriampahelamana, noho izany tokony himasoan’ireo mpitandro filaminana ny maha tandroka aron’ny vozona azy ireo, sy ny maha mpiaro ny vahoaka sy ny fananany azy ireo.

www.gvalosoa.net/2022/11/29/edito-29-novambra-tsy-misy-tsy-mikaikaika-aminny-tsy-fandriampahalemana/

http://www.gvalosoa.net/2022/11/29/edito-29-novambra-tsy-misy-tsy-mikaikaika-aminny-tsy-fandriampahalemana/

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Talata 29 Novambra 2022.
Ho hitanao koa ao amin'ny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
Ivereno ireo laharana rehetra ao amin’ny rohy
www.gvalosoa.net/tahiry/
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Talata 29 Novambra 2022.
Ho hitanao koa ao aminny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
Ivereno ireo laharana rehetra ao amin’ny rohy
http://www.gvalosoa.net/tahiry/

Raharaha Mahery Lanto Manandafy (tohiny). Ny marina tsy mba maty. Mankahery anao. ... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

Raharaha Mahery Lanto Manandafy (tohiny). Ny marina tsy mba maty. Mankahery anao.
Load more