13 Febroary – Taratasin’ny mpamaky

Mahakasika ny tsy fandriampahalemana sy ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny amin’izao fotoana izao, toy izao ny fahitako azy: manomboka izy io ry namako!

Miha-mipoaka ny fiarahamonina, ka tsy misy hohanina ary koa ny asa tsy misy, ny fihariana sakanan-dry zalahy, ny orinasa vahiny mihemotra daholo, ny fanampiana mihidy ny robinet, zao efa namboarin-dry zalahy indray Mampikony. Miomàna fa handray mpifindra monina vaovao avy any Mampikony indray Antananarivo atsy ho atsy. Ny tsy rariny sy ny tsindry hazo lena amin’ny fanaparam-pahefana manginy fotsiny, resaka tandra aza saika nampigadra, izay tsy tiana hamoronana dossier tsotra izao hampigadra azy. Ny vidin’entana etsy andanin’izany miakatra izay tsy izy, toa tsy misy fanaraha-maso. Jereo ireto be antitra toa manary tena mianjera ho azy eny rehetra eny satria tsy ampy sakafo koa.

Ny mpitondra anefa toa miaina ery tsy misy maha ory. Nizara vary be am-bilia sy nitokana KFC dia hanototra tanimbary etsy Ambohitrimanjaka sy hanome tany ny arabo ny filoha dia mahazo doka fa voalohany amin’ny fanjariantsakafo aty Afrika.

Dia gaga ianao nefa na ny nanetsa ray dia aza tsy nataony. Resaka tiana hateza io satria ny BAD izao dia ny arabo no manana petrabola betsaka ao. Korazy isika fa vao manomboka io, atsy hoatsy mbola ho mazana noho izao.

Mbola tsy tena mihàtra ny vokatr’iny tondra-drano iny mantsy izao. Tonga amin’ilay hoe ny nambolena tsy naniry, ny nantenain-tsy azo, ny eo an-tanana moa votsitra daholo hanaovan’ny olona barofo isika zao ry mpiray tanindrazana. Tsy mahagaga raha mirongatra ny tsy fandriampahalemana, satria ny kibo tsy mba lamosina, tsy maintsy mitady ny harapaka isan’andro ny rehetra, ka rehefa tsy misy ny asa, tsy misy ny hamidy dia mirona any amin’ny asa ratsy fangalarana ny sasany.

Ka iza no meloka? Ireo izay mba mitady izay harapaka androany sa ireto mpitondra mijery fotsiny tsy manan-kevitra haroso fa variana amin’ny haitraitra?