UNESCO – COMNAT – Misy fofompofona fanodinkodinam-bola

Misy fofompofona fanodinkodinam-bolam-panjakana ny eo anivon’i sekretaria jeneralin’ny COMNAT,na ny COMMISSIONNATIONALE POURL UNESCO eto amintsika.

Araka ny fanadihadiana sy ny vaovao voaray, nisy fandefasam-bola tsy mazava nirotsaka tao anatin’ny kaontin’ny UNESCO COMNAT.

Ankoatra an’io, vola mitentina 15.000 dolara amerikana no tsy fantatra ny fomba nampiasana azy.

Efa nanambarany fitondram-panjakana ankehitriny, fa tsy ananan-kavana ny fanaovana kolikoly.

Ny voakasik’ity raharaha ity dia mitonona mafy fa TGV hono ka tsy azo atao na inona na inona.

Antenainafa hisy ny fanadihadina lalinaatao momba ity raharaha ity.

Efa nanipika mazava koa ny minisitra teo aloha amin’ny tokony hisian’ny fanadihadiana atao amin’ireo sokajin-draharaha maro ao amin’ny ministeran’ny fanabeazampirenena.

Ny Valosoa