Rivo Rakotovao – Mandika lalàna hatrany ny Filoha Rajoelina

Isambilo

Manoloana ny fisian’ny tsy fanajana ny lalàna velona misy eto Madagasikara, izay ataon’ireo mpanatanteraka, tarihan’ny filoha Andry Rajoelina dia nametraka fitoriana teny anivon’ny Fitsarana Avo momban’ny Lalampanorenana ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao afak’omaly.

Fitoriana izay milaza fa misy ny tsy fahatomombonana hita taratra tamin’ny fanatanterahana ilay fanapahan-kevitra laharana 005-HCC/D3 tamin’ny 13 febroary 2019, izay noraisin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, mahakasika ireo didy hitsivolana izay nosoniavin’ny Filohampirenena nandritra ny fotoana nanomezana azy fahefana hanao lalàna tamin’ny taona 2019, tamin’ny fotoana tsy nampisy ny Antenimierampirenena.

Satria raha voalaza ao dia tokony hampandalovina sy hankatoavinaeo anivon’ny Antenimiera roa tonta izany didy hitsivolana izany mandritra ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoan’ireo Parlemanta farany teo saingy tsy tanteraka izany.

Koa noho izany ny Antenimierandoholona dia manameloka izany fandikan-dalàna izany. Mandika lalàna hatrany arak’izany ny filoha mpitondra eto amintsika ankehitriny, ka ho hita eo indray ny ho fanapahan-kevitry ny andrimpanjakana etsy Ambohidahy, raha mba hanaja ny fahamarinana sy ny hitsiny amin’izay izy ireo na tsia.