Ben’ny tanàna LaLao RavaLomanana – Mendrikaja teto antananarivo

Lalao Ravalomanana, ben'ny tananan'Antananarivo

Nahavita ny fotoam-piasany tamin’ny naha Ben’ny Tanàna voafidimbahoaka azy teto Antananarivo Renivohitra, i Neny Lalao Ravalomanana, tapitra ny efa-taona fotoampiasany ary tsy nilatsaka intsony izy, tsy nasiany olana ny fanaovana ny famindrampahefana fa dia nekeny am-pitoniana izany, tsy tia gidragidra na filamboatsiary i Neny, fa miatrika na dia fantany aza fa fifidianana tsy aradalàna no nahavoafidy ilay misolo azy.

Miverina ao an-tsaina ankehitriny ny zava-nitranga teo aloha dia ny hatak’androsy ny fandrirarirana nataon’Ingahy Pds Ramiaramanana Joseph, tsy nety nanao famindrampahefana avy hatrany, fa nitady izay fomba rehetra nanemorana ny fandraisan’i Neny ny fahefana, ny Prefet de police koa nanome vahana an’Ingahy Pds, kanefa dia tsy maintsy nanaiky ihany avy eo.

Betsaka tsy tambo isaina ny asa vitan’i Neny na dia tsy nahazo ny anjara vola fanampiana avy amin’ny fanjakana foibe aza ny Kaomina Antananarivo Renivohitra, nandritra ny efa-taona nitantanany, ary filohan’ny repoblika roa no nifandimby nitondra, fa tsy nisy nanome ilay anjara vola ireo ary samy nanao antsojay avokoa, ny fitondrana Rajaonarimampianina nanalany sainan’ny tanànan’Antananarivo tany amin’ny biraompokotany ary ny fitondrana Rajoelina nanao ny sakana rehetra tsy nampahomby ny Samva nandotoana an’i Neny. Iza no tsy mahalala fa ny Pds nitondra ny tanàna talohan’i Neny dia tsy nisy nahavita nanadio ny tanàna kanefa ireo Pds dia mpiaradia amin’ny ministry ny rano miahy ny Samva ary notendren’ny fitondrana toy ireo Pds.

Teo amin’ny fitantanana ny mpiasa indray dia voaporofony tena maha renimpianakaviana an’i Neny Lalao Ravalomanana, satria tamin’ny taona 2007 fony mbola ny Tim no nitondra ny kaomina dia 1500 no isan’ny mpiasan’ny kaomina, fa tafakatra 3200 izany nandritra ny fitondrana tetezamita, kanefa tsy nisy ny fandroahana mpiasa nataon’i Neny, fa dia natao vaindohandraharaha ny fitadiavana vola nandoavana ny karaman’ireo mpiasa be dia be ireo sy ny fampandehanana ny asa fampandrosoana ary tsy nisy ny fanavahana teo amin’ny fitondrana ireo mpiasa fa samy nahazo izay sahaza azy ireo mpiasa isan-tokony. Voaloa ara-dalàna ihany koa ny trosan’ny kaomina mitentina 40 000 tapitrisa ariary ary amin’ny fotoan’ny Asaramanitra toy ny fetimpirenena sy ny krismasy sy taombaovao dia mahazo fanomezana mitovy avokoa rehefa manana andraikitra ao amin’ny kaomina, tamin’ny krimasy2019 sy taombaovao2020 farany teo dia mbola tsy namelan’i Neny raha tsy tapitra nahazo avokoa ireo mpiasan’ny kaomina.

Lava be raha ho tanisaina daholo ny zava-bitan’i Neny, fa ny tsy azo adinoina dia ny nahazoany ny loka iraisampirenena tamin’ny fambolena antanàn-dehibe na”agriculture urbaine”. Fa ny mbola nampiavaka an’i Neny ihany koa nandritrany nitondran’ny Kaomina dia tsy mba nahenoinana teny indraimbava avy aminy nanenjikana na naratsy ireo mpitantana teo alohany fa dia ny fiatrehana sy ny famahanany olana misy no nimasoany.

I Neny Lalao Ravalomanana no ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra nahatapitra ny fotoampiasany hatramin’ny farany, tamin’ireo ben’ny tanàna voafidy taorian’ny taona 2000. Atrehany amim-pasahiana sy amimpanentrentena ny famindrampahefana koa mendrika azy ny fankasitrahana sy ny haja sahazany olombanona.

Ny Valosoa