Mirary fihavanana sy fitoniana ho an’ny firenentsika

Nisy mihitsy ny olona namoy ny ainy noho ny alahelony.Fitsaran’olombelona ihany ireny.

Tsy mandeha irery isika.

Mifampiarahaba isika.

Maro ny ezaka vitantsika.

Mahereza fa tsy irery isika, tsy ho irery isika. Tsy very ny fanantenantsika.

310 ny toerana niakarako tamin’ny elikoptera sy nipetrahako. Hitako ny hetatehan’ny olona, hitako ny fanirian’ny olona hiova, reko ny tarainany, fantatro ary haiko ny hamonjena ny olona haingana kanefa tsy izay no nitranga. Hafa ny lalana hitondran’Andriamanitra antsika.

Nanaporofo isika ny lanja lehibe misy antsika. Manan-danja isika. Manana ny maha-izy azy isika. Mamaritra ny lalana mazava isika hanasoava ny mpiara-belona, hanatsaràna ny fari-piaianany.

Tsy ho foana ny fanantenantsika satria miaraka miasa isika. Izaho akaikinareo, ianareo akaikiko mandrakariva.

Miarahaba anareo izahay mivady. Mirary taona vaovao sambatra ho an’ny Malagasy rehetra ny tenako. Mirary fihavanana sy fitoniana ho an’ny firenentsika. Izay no antony nametrahantsika ny fandeferana.

Tokony hatshatra ireo fanenjehana sy ireo fampitahorana, ary indrindra indrindra ny fampigadrana noho ny hevitra tsy mitovy.

K25, fahatsiarovako, fahatsiarovanao, fahatsiarovantsika. Tena ankasitrahana sy deraina.

Ireo rehetra izay maniry hiditra hiaraka ao amin’ny vondrona TIM K25 dia raisina an-tanandroa ary misokatra ho an’ny rehetra izany.

Ho tohizantsika ny fampihavanam-pirenena.

Mamerina ny firariantsoa ho an’ny Malagasy rehetra manerana ny Nosy sy monina any ivelan’i Madagasikara ny tenako.