ARFM – Ho faranana alohan’ny 29 Marsa ny tolona tamin’ny 1947 – Hafatra ho an’ny Foloalindahy sy ny Fitsràna dimy tonta

Ny Valosoa

Nitondra ny teny famaranana ny raiamandreny Noël RAKOTONDRASOA, filohan’ny ARFM (Antenimieran’ny Raiamandreny ara-Foko eto Madagasikara) taorian’ny fivoriambe nokarakarainy teny Ankadikely Ilafy FOFIKRI nandritra ny 30 sy 31 janoary lasa teo. Tamin’izany no nifampiarahabàna ny taona vaovao sy nandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny lalana tokony hizoran’i Madagasikara ary hamaranana ny tolom-panafahana izay natao tamin’ny 1947. Ka ho averina amin’ny Malagasy i Madagasikara. Mila mivonona amin’izany ny Malagasy. Tsy fanonganam-panjakana fa vonjy rano vaky ho fanavotana ny firenena no atao.

“Nifarana androany 31 janoary 2024 ny fihaonan’ny raiamandreny natao teto Ankadikely Ilafy FOFIKRI handinihana ny amin’ny Tanindrazana.

Fehinkevitra tokana no ambara amin’ny vahoaka Malagasy indrindra indrindra ary ihany koa mira baiko ho an’izay rehetra mandre fa tsy maintsy raisina an-tanana ny Fanjakana Malagasy, averina amin’ny Malagasy i Madagasikara tanindrazan’ny Malagasy. Malagasy amin’izay no mitondra ny Tany sy ny Fanjakana.

Mazava izany fa manomboka masina androany, dia efa mivonona isika fa haka ny Fanjakana eo am-pelantanan’ny Vazaha. Tsy omena ny fitondrana vazaha i Madagasikara, fa i Madagasikara dia an’ny Malagasy ka ny Malagasy no masi-mandidy amin’ny taniny.

Ka na iza na iza mandre izao dia aoka tsy hihevitra azy ho fanonganam-panjakana fa fanavotanana tanindrazana ity, ary anaovana antso avo an’ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy, vonjy rano vaky hamonjena ny Tanindrazana izao. Koa miraisa hina, mifankatiava, mihavàna, reseo ny fahavalo fa samy lehilahy, isika no tompon’ny tany ka tsy maintsy isika no mitondra ny Tany sy ny Fanjakana, fa tsy amidy amin’ny vazaha na oviana na oviana i Madagasikara.

Ho an’ny rehetra ao anaty ny Foloalindahy, raha tena ho an’ny Tanindrazana marina ianareo, dia manaova “conseil des états-majors”, mandiniha an’izao resaka izao fa tsy maintsy averina amin’ny Malagasy i Madagasikara. Ary ianareo no hanongotra azy eo am-pelantanan’ny Menasofina.

Faharoa manarakaraka ihany koa, mieritrereta ianareo fianakavian’ny Fitsaràna dimy tonta, handinika mahakasika ny Firenena ara-drariny sy am-pahamarinana, fa i Madagasikara tsy avelan’ny tompony eo am-pelantanan’ny vazaha intsony. Tsy maintsy miverina amin’ny Malagasy ary tsy maintsy mifarana manomboka androany ny tolom-panafahana 1947.

Koa dia miomàna àry tompoko, misikìna fa hiatrika ny fahavalom-pirenena, hanongotra ity tany ity hamerina azy amin’ny tompony. Mankasitra, mankatelina, masina ny Tanindrazana. Ho ela velona i Madagasikara. Mandady izy ankehitriny fa tsy ho avela handady intsony.

Samia mampita ny hafatra. Raha fantatrareo fa marina izany dia miraisa hina. Handao avotana ny Tanindrazana fa izahay raiamandreny no mitarika izany. Mankasitra sy mankatelina tompoko.”

MBS vaovao 31jan2024
‘https://www.youtube.com/live/g-o_1V-cO_w?t=681
MBS vaovao 30jan2024
‘https://www.youtube.com/live/ZWqEJXMRqHU?t=1050
MBS vaovao 29Jan2024
‘https://www.youtube.com/live/DfAK69ppq9k?t=535