Antenimieran’ny Raiamandreny ara-drazana (ARFM) – Milaza ny hanangana governemanta: governemanta an’ny Malagasy

Stefa

Nikaondoha momba ny raharaham-pirenena nandritra ny roa andro, teny Mandriambero Ambohidratrimo, ny ARFM, na ny Antenimieran’ny Raiamandreny ara-dRazana sy Foko Malagasy. Anisan’ny nivoitra tamin’ny fehin-keviny, fa hanangana governemanta izy ireo, governemanta Malagasy sy tena an’ny vahoaka Malagasy. Nangatahany koa mba hody any an-tanindrazany ao anatin’ny 72 ora ireo diplaomaty rehetra monina sy miasa eto amintsika, aleo ny Malagasy no hifandamina mahakasika ny raharaha tokantranony hoy ny fanambarana. Taorian’ireo asam-baomiera nahitana ny vaomieran’ny fampihavanana, politika sy raharaham-pirenena ary ara-drazana, dia nisy ny fehin-kevitra nivoaka narafitra ho tondrozotra, ka isan’ny nisongadina tamin’izany ny filazana fa “tsy manankery intsony ny Lalampanorenan’ny Repoblika fahaefatra, ka hiroso amin’ny fananganana fanjakana vaovao Malagasy. Ho fanatanterahana izany, hisy fananganana Governemanta hitantana ny tany sy ny fanjakana”. Nahitsy sy hentitra ireo namaky ny tondrozotra:“angatahana ireo diplaomaty rehetra mba hody any an-tanindrazany avy ao anatin’ny 72 ora, fa handamina ny Tanindrazanay izahay, ka rehefa voalamina ny tanindrazana, ary miverina amin’ny Malagasy ireo Nosy Malagasy vao miverina”. Raisin’ny ARFM ho fahavalon’ny Malagasy koa, hoy hatrany ny fanambarana, izay masoivoho vahiny manatrika ny fianianan’ny filoha Rajoelina izay ninia ho Vazaha, fianianana hatao eny Mahamasina anio.

Antso mivantana

Ankoatra izany, nanao antso mivantana amin’ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka koa ny ARFM:
“Iaraha-mahita fa tra-pahavoazana ny tanindrazantsika, maratra i Madagasikara ka mila vonjy, tsy misy afaka mamonjy azy afa-tsy ny zanaka nateraka.
Manainga ny teratany Malagasy rehetra na eto na any ampita hitodika amin’ny tanindrazana.
Misy ny fanaovana “investiture” ny 16 desambra izao, raha tena Malagasy marina isika dia tsy tokony hisy izany, satria raha ny tolom-panafahana 47 dia hoe miverina amin’ny Malagasy i Madagasikara, ny malagasy no mitondra ny tany sy ny fanjakana.
Mampalahelo anefa fa ny mifanohitra no misy, Governora Jeneraly no hapetraka hitantana ny firenentsika fa miala ny malagasy.
Voaota fady i Madagasikara hatramin’izao, satria dia mbola vazaha tsy tompontany no hapetraka.
Raha tena Malagasy tokoa isika ary manaja ny hasintsika dia tokony tsy hisy ho tonga hanotrona izany lanonana izany.
Tsy tokony hisy akory aza io lanonana io, fa tokony hieritreritra ireo mpikarakara raha sahy hanao izany ihany.
Raha mbola mpitondra voazanaky ny mpanjanaka no hitondra an’i Madagasikara manao ahoana ny hoavin’ity firenena ity?
Nankaiza isika tompon-tanindrazana no mijery fotsiny izao fahavoazana izao?
Eto izahay Raiamandreny tompon’ity tany ity dia manambara amin’ny vondrona iraisam-pirenena sy ireo sakaizan’i Madagasikara, mba tsy ho tonga eny Mahamasina, raha mbola misy ny fiziriziriana hanao izany fanotam-pady ny tanindrazana izany.
Ho raisinay ho fahavalon’i Madagasikara ianareo satria mbola manohana ny fanotam-pady ny tanindrazanay.
Hanangana governemanta hitantana ny tany sy ny fanjakana izahay. Na inona lazaina na inona ambara, an’ny Malagasy i Madagasikara, ka ny Malagasy no mametraka ny fitondrana sy ny fanjakana manomboka izao.
Tsy maintsy mieritreritra isika Malagasy, fa tsy maintsy hiroso amin’ny fananganana fanjakana vaovao, mahaleotena. Ho tapahina manomboka androany, fa tsy manan-kery eto Madagasikara intsony ny lalam-panorenan’ny Repoblika faha-4. Mba hahafahana manatanteraka izany, sy tsy hisian’ny fanelingelenana dia angatahana ny diplomaty sy ny rantsamangaikany rehetra eto Madagasikara, mba hody any an-tanindrazany aloha ao anatin’ny 72 ora fa handamina ny tanindrazanay izahay. Hoento any koa ny governora jeneralinareo. Mbola hamafisina ihany koa, fa rehefa voalaminay ny tanindrazanay dia eo vao mamaritra izay ho fiaraha-miasa, kanefa aza miverina eto Madagasikara raha tsy efa tafaverina amin’ny Malagasy ireo Nosy Manodidina. Madagasikara an’ny Malagasy. Malagasy no mitondra ny tany sy ny fanjakana.”