AVOAHY IREO NOSAMBORINA

Avoahy ny depiote sy iretsy olo-nosamborina,
Atsaharo ny herisetra sy ny tetika lomorina.
Aleo ny olona hiteny sady mba haneho ny heviny.
(Ny rehetra dia tsarovy, samy manana ny reviny!)

Ireo andian-jiolahy izay hita fa nokaramaina,
Ka nangalatra, nanimba, ireo no tokony hogadraina.
Ireo naniraka azy koa , ireo no tena olon-dratsy.
(Angamba mety ireo mpitondra efa tena lany vatsy!)

Avoahy ny depiote sy ny olon-tsotra izay notanana,
Raha tsy izay, aleo tsy asiana izany atao hoe fifidianana.
Samy manana ny tiany sy izay olona heveriny,
Ka hajao re ny safidiny sy izay mety ho eritreriny!

…Solombava ity voarirotra, nampiasana herisetra.
Azo sary , tsisy afenina fa nahita ny rehetra.
Mandiniha ianao bebaoty sy mpitondra lany vatsy,
Fa vao mainka hihamafana izany tohiny atsy ho atsy!

DADAN’i RIANA (12-11-23)