AVIA KA MIFANDRAISA TANANA

Miantso antsika indray anio, avia ka mifandraisa tanana,
Ho fandavana tanteraka ny hisian’ny fifidianana.
Tsy hisy fifidianana eto n’inona n’inona holazaina,
Raha izay halatra sy hosoka no kasaina hampanjakaina!

Miantso antsika indray anio, avia ka mifandraisa tanana,
Mba ho marika f’isika dia mandala fihavanana.
Lavintsika ny herisetra sy fisainana lomorina,
Ka takiana ny hamoahana ireo rehetra nosamborina!

Miantso antsika indray anio, avia ka mifandraisa tanana,
Dia manaova akanjo fotsy fa izany no hanentanana.
Tolona madio ny antsika ka aleo hifampitaha,
Fa lavintsika hatramin’ny farany ilay hoe « kandidà vazaha »

Miantso antsika indray anio, avia ka mifandraisa tanana,
Eo Anosy no fotoana n’inona n’inom-panakanana.
Saina no aoka hahofahofa, tena izany no midika
Fa « ho an’ny tanindrazana », izay no imatesantsika!

TSIMIMALO (13-11-23)