Kandidà vazaha – Toa efa manomboka ho very tadidy Rajoelina

Andry Tsiavalona

Mihevitra ny tenany mbola ho filohan’ny Repoblika ihany i Andry Nirina Rajoelina, ka manao vava tsy ambina sy mihantsy ady amin’ny vahoaka Malagasy izay nampahantrainy sy nanaovany kobaka am-bava hihinana ny IEM’ny. Ilay zandary « mahery fo » nilomano roa andro sy roa alina kanefa tsy maty fo aman’aina, sy nampiakarina miravaka kintana efatra no mbola mandray baiko avy amin’ny vazaha, ka mamporisika ireo « sonegaly » eo ambany fifehezany hampiasa hery amin’ireo mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana manohana ny vondron’ny kandidà ho filohampirenena iraikambinifilo. Nampitandrina ity vazaha ity fa tsy ekeny, hono, ny fanakorontanana, ny fandravana sy ny teny tsy voahevitra ary fanakanana azy tsy hofidiana.

Tsy fantatra intsony na efa manomboka ho very tadidy ka tsy mahatsiaro izay noteneniny taloha ny kandidà vazaha izay niaiky am-pahibemaso fa manana valo sentimetatra (8 cm). Tsy misy tsy mahafantatra fa gasy ray, gasy reny Andry Nirina Rajoelina ary rà Malagasy no mikoriana ao anatiny, saingy izy ihany no nangataka tamin’ny nahim-pony tsy hisitraka ny zom-pirenena malagasy intsony ho tombotsoan’ny taranany, hono. Satria efa nametra-pialàna tsy ho filohan’ny Repoblika IV intsony Andry Nirina Rajoelina dia mitovy sady mizaka ny zom-pirenena frantsay dia tsy manan-jo nandrotsaka ny filatsahan-kofidina filoham-pirenena intsony, ka niteraka izao hetsika fanoherana izao.

Tsy vitan’ny mitifitra amin’ny bala « caoutchou » sy mandatsaka baomba mandatsa-dranomaso ny zandary, fa tsy afaka mandanjalanja intsony koa ny zandary ka manao izao hadalàna rehetra izao, hatramin’ny mpividy « choux fleur » avy dia samborina. Tsy resahina ny fisamborana ny SG TIM izay olona mipetraka teo Ambohijatovo, tsy niaraka tamin’ny mpanao fihetsiketsehana akory ary hita fa reraka, mba tsy ilazana fa tsy salama loatra. Azo heverina fa fanahiniana mihitsy ny nandatsaka baomba mandatsa-dranomaso miparitaka teny amin’ny mpandrindra ny antoko HVM sy nitifirana ny kandidà Raobelina Andry.

Nisy ny hetsika ny alakamisy sy ny zoma ary ny sabotsy teo, nizotra tam-pilaminana izany. Na izany na tsy izany dia feno herim-pamoretana ny tanàna. Nangataka ny hanao tatitra teo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey ireo solombavambahoaka lany teno an-drenivohitra notronon’ireo avy any amin’ny Faritra kanefa nolavin’ny prefen’Antananarivo izany, fa eny amin’ny Magro Tanjombato no toerana nomeny. Rehefa atao ny tambatra dia miaro an’i Andry Nirina Rajoelina avokoa ny rafitra rehetra azo lazaina fa mbola manana fahefana ary tsy tokony hanana fironana.

Tsy omena tsiny koa ireo olompirenena manakiana ny Fivondronan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM), ka milaza fa mampiahiahy ny fanambarany. Tsy azo lavina fa nanao izay ho afany tokoa ity rafitra ara-pinoana ity tamin’ny hetsika politika teto amin’ny Firenena tamin’ny fotoan’andro. Tsara ho tsiahivina ihany fa tsy mitovy ny vanim-potoana sy ny toe-draharaha (contexte et situation) tamin’izany sy amin’izao fotoana izao. Iaraha-mahatadidy ny nihàtra tamin’ny Mpitondra Fivavahana tamin’ny taona 2009. Nanomboka tamin’io taona io tokoa dia tsy ananan’ny Malagasy intsony ilay soatoavina niainan’ny Ntaolo, ka tsy mampaninona ny mandatsa-drà ny mpiarabelona sy ny mpiray Tanindrazana.

Raha ny herim-pamoretana no jerena dia tsy noho ny fahantrana no anaovany izany, fa noho ny fitiavam-bola sy fanompoana sy fiarovana olon-tokana na vondron’olona. Arak’izany dia tsy manana fahefana handray fanapahan-kevitra (pouvoir de décision) intsony ny FFKM, fa fahefana mampifandray (pouvoir de relation) sisa no hananany. Mety ho tahotra ny hiverenan’ny loza nanjoa ireo Mpitondra Fivavahana ny taona 2009 ny anton’ny nandraisan’ny FFKM izany fahefana izany.

Azo ahiahiana ny fihetsiky ny fikambanana iraisam-pirenena kanefa tsy maintsy ny iraisam-pirenena foana no andrasana handamina ny fiainam-pirenena. Koa toy ny tsy faneken’ny Malagasy tia Tanindrazana rehetra ny mbola hitondran’ny vazaha frantsay ity Firenena ity, no tsy hiandrasana ny iraisam-pirenena handamina indray. Rehefa miziriziry “Izy Rehetra Miaraka Adala amin-dRajoelina” dia adidy sy andraikitry ny Malagasy no manohitra izany, tsy amin-kery na amin’ny ady an-trano fa ny fanilihana amim-pahendrena sy amim-pilaminana ny mpamadika Tanindrazana sy ny mitady hanandevo ny Malagasy indray. Raha ny fanambarana ataon’ny herivelona rehetra manerana ny Nosy manoloana izany dia tsy ho sarotra ny fanatanterahana io tanjona io.