Marc Ravalomanana (7/10/2023) – Tena notifirina aho … tsy mijanona ny tolona raha tsy azontsika ny fandresena

Ny Valosoa

Marc Ravalomanana: “Izao no zavatra nitranga tamiko teny Antanimena. Raha nizotra nandeha tsara iny ny filaharana nataonay am-pilaminana. Tena tsisy nanampo fa nisy 4×4 fotsy an’ny zandarimaria, tonga nitifitra ilay “grenade bâton”.

Tonga dia voa ny tongotro. Mbola misy vy anaty ny tongotro. Tratra koa taty ambany helika. Mbola misy hafa koa. Rovitra ny pataloha.

Te-hilaza aho fa misy mampiely vaovao tsy marina milaza fa notaritin’ny “garde de corps” aho no nahatonga an’io. Tsy marina izany fa tena notifirina aho.

Misaotra an’Andriamanitra aho fa narovany ary mino aho fa hiaro hatramin’ny farany izy.
Tsy mijanona mihitsy ny tolona raha tsy azontsika ny fandresena. Koa dia miantso anareo aho ry vahoaka Malagasy, satria firenena no ho arenintsika, ary vahoaka Malagasy no ho vonjentsika amin’izao zavatra manjo azy izao. Mitady ny marina isika ary manantena fa manampy antsika Andriamanitra. Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra.”