LANJAO NY MAITSO FOTSY MENA

Mitaona anao hilanja indray ny saina maitso fotsy mena,
F’io no saina malagasy, io no sainam-pirenena.
Aoka tsy ho voarebirebin’ny laoranjy sy ny heviny,
Ireny anie tsy gasy intsony f’efa hafa be ny reviny!

N’inona n’inom-pandrosoana izay voizina eto an-dasy,
Mijanòna ho malagasy, malagasy tsisy tasy!
Aza faly haka tahaka ny hadalan’ireo vazaha
Fa ny an’ny tena no asandrato ho afaka hifampitaha!

Mitaona anao hilanja indray ny saina maitso fotsy mena,
Fa ny antsika tsisy manga anie ny sainam-pirenena!
Maitson’ny fanantenana, fotsy sarim-pahadiovana
Menamena midorehitra handresena fahalovana!

‘Ndao re holanjaina indray ny saina maitso fotsy mena.
Malagasy no filoha, izay no hany fanekena,
Fa ny ankoatr’izay dia hosoka, n’iza n’iza mbola hibitaka.
Gasy ihany re no antsika k’aoka ianao tsy ho voafitaka!

DADAN’i RIANA (06-10-23)