MASINA NY TANINDRAZANA !

Tiako i Madagasikara ka dia tsy azoko ekena
Raha vazaha no hoe hirotsaka ho filoham-pirenena.
Miantso anao ry malagasy, aoka tsy hitazantazana,
‘Ndao haneho firaisankina, masina ny tanindrazana!

Tiako i Madagasikara, amiko ny fahendrena
Dia hoe gasy tena gasy no ho filoham-pirenena.
Tonga ny ora sy fotoana mendrika ny hifohazana.
Tsy azo ekena ny efa niofo, masina ny tanindrazana!

Tiako i Madagasikara ka tsy ny olona tia tena
Nisafidy ny ho vazaha no ho filoham-pirenena.
N’inona n’inona atolony ho karazam-panambazana,
Ny safidiko tsy amidiko, masina ny tanindrazana!

Tiako i Madagasikara, amiko ny fandresena
Dia hoe gasy tena gasy no filoham-pirenena.
Tsy vazaha frantsay mirehareha ho tena mazana,
Fa gasy tsotra sy madio, masina ny tanindrazana!

DADAN’i ZINA (05-10-23)