HIKABARY RAINILAINGA ?

Re fa hikabary indray ity ilay efa lany daty,
Ka handroso soso-kevitra izay inoana fa poakaty,
Efa fomban’izy foza ny fanaovan-dia mianotra.
Mariky ny havendranana raha toa adika tsotra!

Hita ho tena tsy nahomby ny hevitra nirefarefa
Sy ny fomba nanilihana an’Ingahy filoha Mahefa,
Ka dia raiki-tahotra izy, miharatsy be ny vokany,
Fa ny atody izay nakotrika, izao vao hita hoe lamokany!

Re fa hikabary indray ity ilay efa lany daty.
Ho azy dia ny fidedahana, izay no mahafatifaty.
Saingy raha jerena kosa ny asa vita sy ny bainga,
Dia tsy avotra intsony, vita teo ny an-dRainilainga!

…Teny fohy no hany andrasana, ary teny am-pahendrena,
Dia ny hoe « tsy hirotsaka aho, ho tombontsoam-pirenena!»
Fa ny ankoatr’izay dia tsotra: fanodinan-tsaim-bahoaka,
Ho an’ny kandidà mpandainga sy efa tena tsisy hapoaka!

TSIMIMALO (29-09-23)