Hetsika sy fampanantenan-dRajoelina – Lainga sy famafazana hatsanga tsy aman’orana no betsaka

Andry Tsiavalona

Mihevitra izao fitondran’ny zanaka amaparan’i Andry Nirina Rajoelina izao, fa mbola any amin’izy ireo tsy misy nandrombinana ny hery sy ny tanjaka ary fahefana. Arangarangany daholo izao fitaovana sy fandrahonana rehetra handemena ny sain’ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy izao. Ao amin’ny Onjampeom-pirenena sy ireo onjampeo manohana ny fitondrana no maneho izany mba ho henon’ny rehetra. Mandrangaranga ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Rakotondrazafy, fa mandainga ny mpanohitra na ny niara-dia taminy teo aloha na ireo mpanohitra hatramin’izay.

Raha hitodihana ny hetsika sy ny fampanantenana nataon’i Andry Nirina Rajoelina dia tsy nisy afa tsy lainga sy famafazana hatsanga tsy aman’orana. Fahoriana, fahantrana, tsy fandriampahalemana, fahadisoam-panantenana sy fahatapahan-jiro tsy misy farany ary fiandrasana rano amin’ny alina manontolo, no iainan’ny Vahoaka Malagasy. Manampy ireo loza mianjady amin’ny vahoaka ireo ny fanitsakitsahana ny lalàna: ny Lalàmpanorenana, ny fitsipika mifehy ny fifidianana, sns… Tsy vitan’izany fa mamoaka izao karazana fitsipika, naoty sy « réquisitions » ary taratasy fandrahonana rehetra izao ireo rafitra rehetra afaka manao izany. Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) dia hitam-poko, hitam-pirenena fa mitongilana any amin’ny fitondrana, ka mamoaka hevitra (avis) na didy tsy azo ivalozana. Ny prefet an’ny polisy dia manakana ny hetsika ataon’ny mpanohitra rehetra, na aiza toerana na amin’ny fotoana inona, kanefa ny loko lôranjy sy ny forongony dia migalabona sy manao izay tiany atao. Mbola sahy milaza fa ny mpanohitra indray, no mamboly krizy sy korontana eto amin’ny Firenena rehefa mitsikera na mamerina amin’ny làlan’ny fahamarinana sy manitsy ny dian’ny fitondrana izay misarika ny Firenena ho any an-kady, mba hitavanany ny harena na an-kibon’ny tany, na ambonin’ny tany na an-dranomasina tahaka izay nataony hatramin’izay.

Efa namoaka « réquisition spéciale » ho amin’ny fotoana tsy voafetra ny prefet an’ny polisy ary hanambara ny « toe-draharaha manokana » (situation d’exception) indray hono, ny mpitondra raha misy korontana. Hiara-mahalala anefa, fa ireto lokom-boasary ireto ihany no mamboly korontana sy mandranitra ny vahoaka amin’ny fanaovana hetsika manitsakitsaka ny Fiandrianam-pirenena sy ny Soatoavina Malagasy, ka manosika sy manohana ny vazaha frantsay ho filoham-pirenena Malagasy. Tsy misy manaiky an’izany raha mbola Malagasy tia ity Tanindrazana iombonana ity, ankoatr’ireo mahatsiaro ho very remby raha tsy mpanjanaka hiarakomana aminy ihany no hiverina eo.

Ireo noheverina fa « tandroka hiaro ny vozon’ny Malagasy » koa dia manaiky ny baiko omena azy an-jambany ary manalokaloka sy mandindondindona etsy sy eroa, ka tsy miteraka alahelo na fitserana na dia mitanin’andro maraina mandra-paharivan’ny andro aza. Midika ho tsy firaharahiana ny vahoaka any amin’ny Faritra izay miaina ao anatin’ny fanafihan’ny dahalo mirongo fitaovam-piadiana, kanefa tsy misy mpiaro toy ny kianja sy toeram-pivoriana rehetra an-tanàn-dehibe. Ny toe-javatra sahala amin’izany dia misarika ny saina tsy hino fa nisy tokoa ireny jiolahy sy dahalo lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana ireny. Mitraotra ihany koa ny eny amin’ny Anjerimanontolo, tsy ny eto an-drenivohitra ihany, fa hatrany amin’ny Faritany noho ny tsy firaharahian’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny mpitondra amin’ny ankapobeny ny olana mianjady, tsy amin’ny mpampianatra ihany fa eo amin’ny mpianatra koa. Efa mampiaka-peo koa ny administratera sivily, satria tsy manaiky hatao fitaovana hiarovana ny eo amin’ny fitondrana intsony. Mijoro sy manainga ny mpiasam-panjakana any amin’ny departemanta ministerialy rehetra any tsy hanaiky hatao fitaovana politika, fa hijanona ho tsy miandany (neûtre). Malaza tokoa amin’izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao, fa teren’ny lehiben’ny faripiadidian’ny fampianarana (Cisco) any amin’ny distrika ivelan’ny tanàn-dehibe any, hanao akanjo lokon- dôranjy sy hanambara fa manohana an’i Andry Nirina Rajoelina.

Efa maro amin’ny Malagasy no tezitra sy mitady hitraotra satria miaina ao anatin’ny fahantrana lalina sy tsy fanjariana eo amin’ny lafiny rehetra izao, kanefa mino kosa fa tsy maintsy ho tonga ny fetra ka tsy hanjaka eto amin’ity Nosy ity intsony ny asan-devoly rehetra. Tsy ho maika tsy faingana toy ny akoho tsy nahandry ny andro zoma anefa, fa ho tarihin’ny fahendrena sy ny fahaizana mandanjalanja.