Fifidianana. Fiarahamonimpirenena Safidy – Hametraka mpanara-maso eo amin’ny 1 alina manerana ny Nosy

Rajepa

Tanora 30 avy amin’ny fikambanana firaisamonimpirenena eny ifotony, mivondrona ao amin’ny SAFIDY, izay miandraikitra ny distrika sy kaominina ao amin’ny faritra Menabe, no nahazo fiofanana nandritra ny 3 andro: natao ny 20 ka ahatramin’ny 22 septambre tao Morondava faritra Menabe, izay nampahafantarana azy ireo ny andraikitry ny mpanara-maso ny fifidianana, sy ireo didy aman-dalàna mikasika ny fifidianana.

Miezaka ny avy eo anivon’ny SAFIDY mametraka ireo mpanara-maso eny anivon’ny biraom-pifidianana, mba hisorohana ny fandikan-dalàna eo amin’ny fifidianana, isan’ny tanjon’ny Safidy ny hametraka mpanara-maso eo amin’ny 1 alina manerana ny Nosy. Aorian’izao fampiofanana izao dia hampiofana ireo mpanaramaso eny ifotony indray ireto tomponandraikitra eo anivon’ny ditrika sy kaominina ireto, izay nahitana solontena avy amin’ireo distrika 5 mandrafitra ny faritra Menabe araky ny nambaran’i Harnel Rakotobe mpampiofana. Nanambara ireo mpiofana araky ny nambaran’i Yolande Rakotomalala tompon’andraikitry ny fanarahamaso Safidy ao Miandrivazo, fa manana adidy sy andraikitra ny tanora amin’izao fifidianana izao ary saropady ny fifidianana ka mila ny fandraisan’andraikitry ny rehetra, izay no nahatonga azy nanolotena hiara-hiasa amin’ny Safidy hanaramaso ny fifidianana.

Tokony hijoro ny rehetra ary hifanome tanana, mba hisian’ny fifidianana marina sy mangarahara ary eken’ny rehetra hoy Vingo Hefageor Vohanson, mpandrindram-paritry ny Safidy ato Menabe, ka manentana ny rehetra izy mba hiara-hisalahy amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana, ka ho sahy hitoroka raha mahita fandikan-dalàna mandritra ny fifidianana, manomboka izao sy mandritra ny fampielezan-kevitra ary ny andron’ny fifidianana sy aorian’ny fifidianana, satria dia saropady ny safidin’ny vahoaka ary manana anjara amin’ny fametrahana ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra hialana amin’ny krizy ateraky ny fifidianana.