Radio Fahazavana – 13 taona lasa izay no nanagadrana ireo mpiasa 10 tao aminy

Sôh’son

Nitsingerina omaly ny andro nivoahan’ireo mpanao gazetin’ny Radio Fahazavana ny fonja, izay nogadrain-dRajoelina sy ny Praiministra tamin’izany, Camille Vital. Ity farany mantsy no nisolotena ny fanjakana niampanga sy nitory ireo mpiasa 10 mianadahy ny andron’ny 20 Mey 2010. Nampiasaina natao fitaovana tamin’izany ny minisitry ny serasera tamin’izany fotoana izany.

Rehefa nosamboriny izy ireo io andro io, dia nentina teny amin’ny BC Anosy ary notanana teny nandritry ny valo (8) andro, izay tena tsy araka ny lalàna izany. Avy eo dia nampidirina am-ponja teny amin’ny fonjan’Antanimora nandritry ny 3 volana ngarangidiny, ary ny 08 Septambra 2010 no navoaka ny fonja. Nanao ny asany anefa ireo olona ireo amin’ny mahampanao gazety azy, fa tsy noraharahian’ny fitondrana tetezamitan-dRajoelina. Ireo no mpanao gazety maro indrindra nogadrain’i Andry Rajoelina, mpanao gazetin’ny fiangonana. Ny antony tsy nanaiky ny fanonganam-panjakana ary niaro ny ara-dalàna izy ireo, dia ny fitondrana nofidian’ny vahoaka tamin’ny fomba ara-dalàna.

Ankoatra ny fiharetana mafy nandritry ny havaloana tao amin’ny violon- ny BC Anosy, tanaty toerana tery dia tery sy naloto, hazo amin’izao fotsiny tsy nisy kidoro no natoriana tao anatin’izany, dia niharetana ihany koa ny nitranga teny amin’ny fonja. Tsy adino mandrakizao ny vavan’ilay procureur vehivavy avy naka am-bavany azy ireo hoe: “tsy ho tafavoaka eny ianareo raha tsy Andriamanitra irery ihany”. Ninina nikimpy sy nanaiky natao fitaovan’ny fitondrana tetezamita mpanongam-panjakana ny fitsarana tamin’izany. Tsy adino, fa toy ny vao omaly izany rehetra izany, sy ny nitranga teny Antanimora. Ny fanaraha-maso azy 10 mianadahy raha vao mihetsika kely teny amin’ny fonja, hatramin’ny fanaovana fotoam-bavaka aza dia narahi-maso akaiky ary nisy toerana norarana tsy nahazoan’izy ireo nanao izany intsony. Manoatra noho ireo nahavita heloka bevava na “criminel”. Izany rehetra izany dia naneho ny hetraketraka nataon-dRajoelina sy ekipany mpanongam-panjakana rehetra.

Efa tamin’izany no naseho izany ary mbola mitohy hita taratra mandraka ankehitriny, raha nisy ireo namana hafa mpanao gazety nosamborina taty aoriana rehefa tonga teo amin’ny fitondrana ny tenany nanomboka ny taona 2018. Efa tany amin’ny 13 taona lasa no hita taratra izany toetrany izany kanefa mbola niniana nikimpian’ny sasany ihany ny nifidy azy taty amin’ny taona 2018. Hadisoana bevava natao amin’ny firenena izany ary hadisoana ho an’ireo mbola hifidy azy amin’ny fifidianana amin’ity taona 2023 ity.