TIM Nosy-Be tany Dzamandzary – Nametraka paikady hahazoana salan’isa ambony amin’ny fifidianana

Niaina

Nihaona tamin’ireo mpitarika ny antoko TIM any Dzamandzary Nosy-Be faritra Diana ny alahady teo, ireo mpitarika ny antoko TIM any amin’ny Nosy Manitra. Nidina tany Dzamandzary ny mpikambana amin’ny biraon’ny Vehivavy TIM sy ny Tanora TIM Nosy-Be Hell-ville, teo koa ireo TIM zokiny any an-toerana. Ny filohan’ny Vehivavy TIM Clé Audrey no nitarika ny fivoriana, sy nanao tatitra ny fihaonana natao farany tamin’ny 19 aogositra lasa teo, sady nametraka lamina izay hanohizana ny asa izay efa natomboka efa ela, amin’ny fiatrehana ny fifidianana filohampirenena ho avy.

Araka ny vaovao voaray, nilamina sady nahafinaritra ny fihaonana, ny tanjona dia ny hahazoana salan’isa ambony ambony amin’ny fifidianana ho an’ny filoha mpanorina ny antoko Marc Ravalomanana. Tao aorian’izao fihaonana izao, hanohy ny fidinana ifotony ny mpitarika TIM ao Dzamandzary, amin’ny fanentanana ny eny anivon’ny fokontany any an-toerana.