Fialan-dRajoelina – Tsy azon’ny mpomba ny fitondrana tazonina ny andro sy ny fotoana

Andry Tsiavalona

Tsy azon’izao fitondrana izao tazonina ny andro ka mizotra tsikelikely ho any amin’ny tsy maintsy hametrahan-dRajoelina Andry Nirina fialàna amin’ny maha filohan’ny Repoblika Malagasy azy. Ny tranga rehetra eto amin’ny Firenena anefa dia toa mampiseho fa mitady ny fomba rehetra hanalavana ny fitantanany ny ao amin’ny fitondrana.

Raha ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny minisitra tato anatin’ny herinandro vitsivitsy dia manambara ny fanatanterahana fotodrafitrasa nampanantenain-dRajoelina Andry Nirina taona maro lasa kanefa tsy nanomboka hatramin’izao. Porofo izany fa tsy misy mieritreritra izany famaranana izany ireo tompom-pahefana, ka miseho amin’ny ataony sy ny fihetsiny ho mbola manana ny hery rehetra eo am-pelatanany. Na dia omaly aza ny lanonam-panokafana ny lalaon’ny Nosy dia Rajoelina Andry Nirina mihitsy no nandray ny « Afo Olympika » tany amin’ny Renivohi-paritany sasany na dia nisy tranga tsy azo noeritreretina aza ny nanadinoina tany Antsiranana ny afo izay tsy tonga tany Mahajanga izany kanefa ny manampahefana efa vory lanona.

Mbola miseho ho mandray andraikitra ny mpitondra ka nilomay manampitampina ny lavaka amin’ny làlana mety handalovan’ny delegasiona sy athleta vahiny tato anatin’ny andro vitsivitsy. Mirotsaka manadio sy mamafa tanàna ihany koa hatramin’ny Praiminisitra sy ny governemanta ary ny foloalindahy. Vonjy tavanandro ihany izany fanadiovana izany satria dia misy amin’ireo mpilalao baskety morisiana marary kibo ka azo antoka fa loto no fototr’izany.

Miseho ho mahafehy ny fanomanana ny fifidianana koa ireo rafitra misahana izany, Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) kanefa ny lisitry ny mpifidy izay efa tsy azo kitihina intsony aza mbola nalavaina indray ny fahafahana mampiditra ny anarana ao anatiny. Etsy an-kilany kosa dia miala ilany ny HCC ka manilika andraikitra manoloana ny fitoriana momba ny maha vazaha frantsay an-dRajoelina Andry Nirina, ka tokony ho foanana ny didy nivoaka nanambara ny fahalaniany ho filohan’ny Repoblika.

Toa mbola manana ny hery sy fahefana eo am-pelatanany Rajoelina Andry Nirina sy ny forongony, ka nanakana ireo hery velona maro samy hafa nikasa naneho hevitra sy nanao fanambarana ny alakamisy lasa teo teny amin’ny “Espace” iray eny amin’ny By Pass, izay norahonan’ny herim-pamoretana tsy nandray ireto efa namandrika mialoha ny toerana ireto. Afaka nanao fanambrana teny an-dàlambe ihany anefa ireto hery velona ireto ary azo fintinina ho tsy fanekena firotsahan’ny olona manana zom-pirenena vahiny ho kandidà filoham-pirenena eto amin’ny Repoblika Malagasy, ka anisan’izany Rajoelina Andry Nirina tsy amin’ny maha izy azy, fa noho izy frantsay.

Toa mbola manana ny hery sy fahefana tokoa Rajoelina Andry Nirina sy ireo mpiaro azy ka afaka mandefa teny midina eny amin’ny Anjerimanontolo, azo heverina fa noterena ny filohan’ny Oniversite Antananarivo nanala ny “Franchise Universitaire” ary porofo izany fa mbola mitsabaka any amin’ny sehatra rehetra ny mpitondra. Tsy an-taratasy ihany no nampisehoan’ny mpitondra izany fahefany izany, fa eo koa ny fampiasana ny herim-pamoretana nidaroka ireo mpianatra mitokona noho ny fahatapahan’ny fampianarana eny amin’ny Anjerimanontolo noho ny fitokanan’ny Mpampianatra Mpikaroka sy ny Mpikaroka Mpampianatra, sy ny fitakiana ny hampiakarana ny vatsim-pianarana zato isan-jato, satria tsy mahavita na inona na inona intsony izay raisiny amin’izao fotoana izao manoloana ny vidim-piainana.

Miseho ho tsy ho tratry ny aloka sy ho manampahendrena noho ny hafa koa ny vehivavy manam-pahefana akaikin-dRajoelina Andry Nirina, ka mijabaka amin’ny andraikitra tsy misy hidirany ary manameloka sy manafoka ny mpianatra. Manana 34 miliara ariary Rajoelina Andry Nirina sy ny governemanta andraisana ny Lalaon’ny Nosy kanefa tsy mahaloa ny karaman’ny eny amin’ny Anjerimanontolo, ny mpandraharaha, tsy manana ny vola zato miliara hanaovana fifidianana.

Na dia miseho ho mbola manana ny fahefana ara-politika, ara-tafika sy ara-pitsarana ary ara-pitantanana iatrehana ny loza rehetra mihàtra eto amin’ny Firenena aza Rajoelina Andry Nirina sy ny mpiray tsikombakomba aminy dia tsy afaka mandà fa kikisan’ny aretina sarotra sitranina ny sehatra rehetra, mararin’ny tazon-karena ny mpitondra, ka mila fitsaboana mahery vaika (traitement de choc), mila mpitsabo sy mpitsabo mpanampy voasedra sy manana hery fiarovana tsy hifindran’izany aminy.