Miala Rajoelina. J- 44 – Manao sorona ny tanora Malagasy mba hahazoany manambaka azy

Andry Tsiavalona

Miteraka fampandrosoana avokoa ny sehatra rehetra ka tsy misy afaka mandeha irery, satria mifampiankina sy mifandrohy ny roa na telo amin’izy ireo. Eo amin’ny sehatry ny famokarana dia tsy afaka misaraka amin’ny fitaterana satria raha vokatra ny vary eny ambanivohitra dia misy ambimbava ahondrana any amin’ny faritra hafa koa raha tsy eo ny fiara vaventy sy ny làlana ahazoana mamoaka izany dia ho simba ary miteraka fatiantoka ho an’ny tantsaha. Nanao fanamby ny filohan’ny Repoblika Rajoelina fa hanangana ozinina ahazoana manodina ny vokatra legioma tany amin’ny Faritra Vakinankaratra kanefa tsy mbola tafatsangana izany satria, angamba, tsy tao anatin’ireo tetikasan’ny Fiadidiana ny Repoblika (projets presidentiels) na tsy tao anatin’ny “velirano”.

Antony fanararaotan’ny mpanangom-bokatra eo amin’ny vidin’ny vokatra ny faharatsian’ny làlana, hany ka tsy misy fivoarana azo tsapain-tànana mihitsy ny fiainan’ny tantsaha izay miteraka fifindra-monina mandeha an-tanàn-dehibe (exode rural), ka mampitombo ny tsy manan-kialofana ao amin’ny tànana. Izao fitondrana izao dia tsy nanao ezaka eo amin’ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra satria tsy nanao fotodrafitrasa na nitady hevitra ho fampitaovana ny tantsaha, fa nanompana ny heriny amin’ny zavatra mirentirenty kanefa tsy misy tamberiny hoenti-manpandroso.

Niteraka resabe nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro lasa iny ny fanadinana bakalorea noho ny fivoahan’ny laza adina mialohan’ny fotoana ny taranja Tantara sy Jeografia. Raha anaovana tamberina ny lasa momba ity fanadinana ity dia efa nisy ny tranga toy izao ny taona voalohany nitondran-dRajoelina Andry Nirina ary nisy koa ny famerenana ny fanadinana iray manontolo mihitsy, ka izy filohan’ny Repoblika no nanao ny fanambarana momba izany. Tsy azo lavina fa sehatra iray fototry ny fampandrosoana ny Firenena ny fanabeazana. Sehatra mampivoatra ny fiainan’ny taranaka sy ny fiarahamonina ary ny firenena iray manontolo mihitsy ny fanabeazana. Rehefa dondrona sy tsy ampy fahalalàna ny olompirenena dia araka ny fitenenana hoe “manjaka ny tokamaso ao amin’ny firenena iainan’ny jamba” (au pays des aveugles, les borgnes sont rois). Tsapa fa tsy mbola nisy toy ny amin’izao fotoana izao ny lentan’ny fampianarana eto Madagasikara nandritra izay 63 taona namerenan’ny mpanjanaka ny fahaleovantena izay.

Rehefa dinihana ny voalazan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry Nirina, tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety ny alahady 16 jolay 2023 iny dia nanasongadina, fa tsizarizary ny fampianarana eto Madagasikara matoa nanao sorona ny tenany mihitsy izy nangataka ny zom-pirenena frantsay (nanary ny zom-pirenena Malagasy) mba hahafahan’ny zanany mianatra any ivelany. Anisan’ny taratry ny tsy mampanjary ny fampianarana eto dia ny tsy fandoavan’ny fitondrana Rajoelina Andry Nirina ny tambin-karaman’ny mpampianatra antselika (vacataires) eny amin’ny Anjerimanontolo sy ny karaman’ireo mpiandry sy mpitsara fanadinana. Nanao antso ho an’izay mpianatra na mpampianatra vonona hanampy amin’ny fiandrasana fanadinana ny minisiteran’ny Fampianarana Ambony, noho ny tsy fahampian’ireo mpiambina tonga ny andro voalohany izay mbola taratry ny tsy firaharahian’ny fitondrana ny fanabeazana ihany koa. Tsy mahagaga mihitsy izany raha andro vitsy taorian’iny fanambarana iny dia nitranga ny tsy fanjarian’ny fampianarana eto ka ny fitondrana no fototr’izany fa tsy azo ailika na amin’iza na amin’iza ary manao sorona ny tenany izy ho an’ny naterany fa manao “sorona” ny tanora Malagasy kosa mba hahazoany manambaka azy.

Soa ihany fa efa 44 andro sisa: J- 44 dia hametra-pialana ity filoha tsy miraharahara ny fampiroboroboana ny fampianarana ny zaza Malagasy ity. Raha ny vaovao navoakan’ny gazety mpanohana voalohany ny fitondrana nivoaka ny herinandro teo dia olona 3 no voasambotra tany Morondava satria, hono, anisan’ny namoaka ny laza adina niparitaka iny tao amin’ny tambazotran-tserasera. Azo antoka anefa fa tsy tany Morondava no namolavola ny laza adina fa teto an-drenivohitra, ka nahoana no tany no nisy voasambotra. Atidoha (ceveaux) no nantsoin-dRajoelina Andry Nirina hiara-mitantana aminy ny Firenena, kanefa na dia efa hifarana aza ny fe-potoana iasany dia tsy mbola misy sehatra misongadina ka mandroso eto amin’ny Firenena na iray aza, na dia nomen’ny tany ivelany “amboara” eo amin’ny sehatra sasany aza izy. Tsy mbola nisy toy izao tokoa teto nandritra ny 60 taona, hany ka mitodika aty daholo ny mason’izao tontolo izao.