“Nampoina, ny riaka no valampariako” – Sarimihetsika Malagasy ho fanamafisana ny firaisam-pirenena

Aly

Vita ary nalefa voalohany tetsy amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka, mialohan’ny hijeren’ny be sy ny maro azy, na natao avant-première, tetsy amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka ny sabotsy teo, ilay sarimihetsika Malagasy : “Nampoina, ny riaka no valampariako ity”.

Nanoratra ity sarimihetsika Malagasy “Nampoina, ny riaka no valampariako ity” ity, Profesora Raymond Ranjeva, niara-nanatontosa Henri Randrianierenana sy Ramatoa Haingotiana Rasolondraibe. Namolavola ity tetikasa famokarana sarimihetsika ity kosa ny fikambanana Valamparihy sy Tahiana Razafinjoelina, notohanan’ny Vidy Varotra, ny FTHM, ny Solar Productions, ny Silver Ties Writer ary ny Fireflies. Ora iray sy 40 min no faharetan’ity sarimihetsika Malagasy ity, mitantara ny Mpanjaka Andrianampoininimerina. Tanjona ny fanamafisana hatrany ny firaisam-pirenena hoy ny mpanoratra Profesora Raymond Ranjeva, nandritra ny fotoana ny faran’ny herinandro teo io.

Halefa eto an-toerana sy any ivelany ity sarimihetsika: “Nampoina, ny riaka no valampariako ity”, ka ny 29 jolay ho avy izao izany no hanomboka heverin’ny mpikarakara hojeren’ny daholobe. Ankoatr’izany, mba hoenti-manana amin’ny fanapariahana ity sarimihetsika ity izay, mbola miantso tolo-tanana ho an’ny rehetra tsara sitrapo ihany ny fikambanana Valamparihy sy ny mpikarakara miaraka aminy.