Filoha Ravalomanana “Décidé” amin’ny firotsahana hofidiana amin’ny fifidianana Filoha

Isambilo

Nanatrika ny fanakalazana ny fetim-pirenena Frantsay, ny 14 jolay, teny amin’ny tranon’ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara, teny Ivandry, ny zoma teo ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, Marc Ravalomanana. Nararaotin’ny mpanao gazety ny nanontany azy momba ny raharaham-pirenena teny an-toerana. Nanamafy ny filoha Ravalomanana nandritra izany fa vonona tanteraka hiatrika ny fifidianana filoham-pirenena amin’ity taona ity. Tena décidé aho hoy izy, satria tena mahantra loatra ny vahoaka sy ny firenena amin’ izao fotoana.

Mahakasika ny antoka 200 tapitrisa Ar amin’ny fifidianana, nanambara izy fa tsy olana aminy izany, saingy kosa, mety ho sakana amin’ny kandidà hafa te hirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana ho avy ny 9 novambra ho avy izao io. Voahitsakitsaka indray ny demokrasia noho izany, hoy izy.

Ankoatra izany, miantso ny rehetra izay vonona hiara-dia sy hiasa miaraka aminy izy, HIOMANA sy ho VONONA ary ho SAHY hiatrika ny zotram-pifidianana rehetra. Mahakasika ity fifidianana ity, nanambara ny Ambasadaoron’i Frantsa monina sy miasa eto amintsika Arnaud Guillois fa tsy mitsabaka amin’izany ny fireneny, saingy kosa tsy hitazam-mpotsiny fa hanampy, ary efa nandrotsaka ny fanampiany amin’ny basket fund ny fitondrana any Paris.