Amboara nomena an-dRajoelina – Amboara fanesoana, mifanohitra amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena

Andry Tsiavalona

Mifanohitra amin’ny tranga eto amin’ny Nosy avokoa ireo amboara nomena ny filohan’ ny Repoblika tato anatin’ny fotoana fohy. Tsara tsiahivina izy ireny mba tsy ilazana fa solomaso vilana no ijerena azy. Ny amboara voalohany dia ny amboaran’ny “Ady amin’ny tsy Fanjarian-Tsakafo” (Trophée de la Lutte contre la Mal-Nutrition). Ny zavatra iainan’ny mpiray tanindrazana amin’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina mihoatra ny iray tapitrisa, tsy any Atsimo ihany, anefa dia tratry ny kere, ary efa mivaro-janaka mihitsy ny reny amin’ny Faritra sasany, noho ny tsy fahafahany mamelomana azy intsony. Na izy aza efa vaky vava ary mahafantatra, fa « mihinana ny tsy fihinany ny Malagasy ». Manontany tena ny rehetra hoe nifototra tamin’ny zava-misy marina iainan’ny vahoaka eto amin’ny Firenena tokoa ve ny nanolorana ny amboara eo amin’ity sehatra ity ho an-dRajoelina Andry ? Ny faharoa dia ny amboaran’ny « Fananganana Indostria ».

Angamba, ilay fanambaran’ny filohan’ny Repoblika, fa hanangana orinasa hanamboatra “Gasy Car” sy ny nitokanany ny “Phar Malagasy” orinasa mpanao fanafody hifaninana amin’ny Imra an-dRatsimamanga eny Itaosy no antony nanomezana azy izany. Tsy mbola misy azo tsapain-tànana sy hita maso anefa ny vokatra nivoaka avy amin’ireo orinasa ireo mandrak’ity ny androany. Ny orinasa eo anivon’izany indostria izany: Secren any Antsiranana, Sirama Brickaville sy Analaiva ary Namakia, ny mpanao simenitra ao Ibity, dia mitsipozipozy ary tsy mamokatra izay filàn’ny mpanjifa akory. Be dia be ny simenitra afarana avy any ivelany, ka gaga ny Malagasy afaka mandinika ny zava-misy eto amin’ny Firenena, fa toa zarazaraina tsy misy famotorana sy fanadihadiana itony amboara itony, ka izay tiana homena dia homena. Tsy azo lavina ihany koa fa tsy tao anatin’ny veliranon-dRajoelina Andry ny fanarenana ny indostria efa nisy teto amin’ny Nosy ka tsy noraharahiany.

Nahazo amboaran’ny « Mpanangana Lehibe » (Grand Bâtisseur) indray ny filohan’ny Repoblika faha-III-2 amin’izao fotoana izao. Rehefa mandinika ny zavatra natsangan-dRajoelina Andry teto amin’ny Firenena ny olom-pirenena manana ny fahaizana mifandraika amin’izany dia tsy mahita hoe aiza ary oviana no nananganana izany. Ny mahavariana dia andro vitsy taorian’ny nanaovana fety goavana nanombohana ny fametrahana ny « pipe-line » tany Atsimo no nanolorana azy izany amboara izany. Aleo tanisaina ireo fotodrafitrasa goavana tafatsangana tato anatin’ny dimy taona latsa kely dia teo ireo “rocades” izay efa tetikasa tamin’ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina Hery, fa ny anjaran-dRajoelina Andry dia ny fitokanana azy ireo. Anisan’ny goavana ihany koa ny Seranam-piaramanidina Ivato, saingy tsy notokanan-dRajoelina Andry mihitsy satria sarotra ho azy ny hidoka tena fa anisan’ny veliranony io. Raha vita sahala amin’i Miami-Floride-Etazonia tokoa ny morontsiraka ao Toamasina, ary tsy nisy manainga zipo intsony ny ao Ambatondrazaka ka ho toa an’i Parisy, dia tena mendrika ity amboara ity tokoa izy, fa tsy izany anefa ny zava-misy. Mety ny “colisée” ao anaty Rovan’i Manjakamiadana sy ny “ascenseur” ao anatiny ary ny “Kianjan’ny Barea” izay vita, angamba, no nahazoany tarehimarika ambony noho izay azon’ireo filoham-pirenena hafa aty Afrika. Ny marina hita sy iainan’ny Malagasy anefa dia “mpandrodana” Rajoelina Andry sy izao fitondrana izao. Raha manana masoivoho eto Madagasikara ny mpanome ireny “amboara” ireny dia tsy maintsy mahita tokoa ny zava-misy izay tsy azo afenina. Vao manomboka ary ao anaty savorovoro tanteraka ny fanamboarana ny “làlana migodàna” mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina izay tsy azo lavina fa tetikasa “goavana” tokoa, kanefa tsy ahazoana amboara izany. Eo koa ny “téléphérique” izay na fihantsonana iray aza tsy mbola tafatsangana ka mbola any ankibon’ny omby izany, ka tsy hahafahana manome tarehimarika.

Rehefa atao ny tambatra dia miiba ny naoty azo omena an-dRajoelina Andry, satria “mirodana” ny seha-piariana sy ny seha-pamokarana rehetra misy eto Madagasikara ary izay mbola mitsangana aza dia zara raha mahajoro, ka mangozohozo miandry izay hidarabohany. Tsy mampiova na inona na inona eo amin’ny adim-piainana tsy maintsy hatrehin’ny Malagasy izay “amboara” rehetra nomena an-dRajoelina Andry, satria tranga vao maika maneso sy mampidina ambany dia ambany izay kely mety mbola hisafidianan’ny mpiray firenena azy.