APETRAHO NY FIALANA

Izay rehetra ataonareo, tsy misy iray mba hoe mangirana,
Mainka koa manampy izany ny ady sy ny fifandirana.
Izany hoe firaisan-tsaina, lavitra anareo angamba.
Fa sasana an-kavoriana ny maloto toy ny lamba!

Efa tapitra manondrana na ny vavy na ny lahy.
Toy ny efa lany henatra sy tsy manana fanahy,
Ka dia ny toetra maha mpitarika no tsy itafiana intsony,
F’efa zary toa mitanjaka ianareo ery ambony!

Na fiteny na ny fihetsika, efa lasa tsy voafehy.
Mba lohany kanefa indrisy fa mazàna mampihomehy.
Tsy hoe indroa na hoe intelo f’efa imbetsaka mamalana,
Izany ve no mba mpitondra, sao mpitondra diso lalana!

Efa tapitra manondrana saingy tsy ahitam-panafana.
Raha tsaraina, aotra roa no hany hita eny amin’ny fafana,
Ka ny mety, tsotra ihany ry mpitondra fanjakana,
Izao no ora tsara indrindra: apetraho ny fialana!

TSIMIMALO (06-04-23)