TIM Boriboritany faha-3 – Hanao fihaonambe sy ny dinika ho fampandrosoana ny antoko

Niaina

Hisy ny fihaonambe sy dinidinika ho fampandrosoana ny antoko TIM: Tiako i Madagasikara ny sabotsy 01 Aprily 2023 ho avy izao, ao amin’ny QG Bel’air, izay ho karakarain’ny antoko TIM ao amin’ny Boriboritany faha-3, ahitana ny depiote Feno Ralambomanana sy ny ekipany, miaraka amin’ny avy amin’ny DISTIM ao amin’ity Boriboritany ity. Izany dia hanomboka amin’ny 02 ora tolakandro, ka hanasan’izy ireo ny mpikatroka sy ny mpanara-dia rehetra ao anivon’ny Boriboritany faha-3.

Araka ny nambaran’ny depiote Feno Ralambomanana, entanina ny rehetra mba ho tonga amin’io fotoan-dehibe io, indrindra ny Biraon’ny Fokotim isam-pokontany, ny biraon’ny Jeunes TIM ary ny biraon’ny Femme TIM.