Feno Emmo-Reg Antananarivo omaly – Tora-kovitra sy mihorohoro vao maheno hetsika ny fitondrana Rajoelina

Helisoa

Gaga ny rehetra nandalo an’Ambanidia, Ambohijatovo, Analakely fa feno mpitandro filaminana Emmo-Reg eran’ny tanàna. Fa misy inona indray hoy ireo mpandalo no misy an’izao? Raha ny zavatra hita dia toa hoe misy mikononkonona hidina andalambe manoloana ny fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy ankehitriny, ny tsy fisian’asa sy ny fidangan’ny vidim-piainana, sns…

Avy hatrany dia nandray andraikitra ny mpitondra fanjakàna nampidina ireo mpitandro filaminana maro be hisakana ireo izay mikendry hanao izany. Raha ny fahalalana azy anefa dia olona tsy mpanao politika ireo nikasa hidina an-dalambe ireo, voalaza fa ho niainga avy any amin’ny boriboritany izy ireo. Tora-kovitra sy mihorohoro ny fitondrana Rajoelina vao maheno izany, ka dia namoaka ireo mpitandro filaminana marobe ireo.

Raha ny zavatra hita aloha dia mihàtra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny jadona, tsy hita eto izany demokrasia izany, fa raha vao manohitra ny fitondràna indrindra fa ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) dia tonga ny be baoty mandrava izany na dia ao anaty toerana mifefy sy fananan’olona manokana aza. Ny mpitondra fanjakàna sy izay metimety aminy dia avela halalaka na dia manohintohina ny fifamoivoizana aza. Manjaka eto Madagasikara ny mizana tsindrian’ila vokatr’izany. Hita ilay tahotra ny antoko mpanohitra indrindra ny TIM, araka ny fanambaràna mivoaka ny vavan’ny olona eny rehetra eny.

Ny filoha Andry Rajoelina etsy ankilany, manao teny tsy voahevitra izay mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 taona. Mbola filoha ve no miteny izany hoy ny maro? efa manakaiky ny fialàny matoa manao teny tsy voahevitra ohatra izany ny mpitondra fanjakàna hoy indray ny hafa. Hita taratra amin’ny zavatra misy ankehitriny, fa famonoana afo sisa no ataon’ny fitondràna Rajoelina. Inona intsony no vita ao anatin’ny ENIMBOLANA farany hipetrahana eo amin’io seza efa mihilangilana io. Fampiasana ny fahefana amin’ny alalan’ny mpitandro filaminana hampihorohona sisa no fitaovana eo ampelatanany. Ny hery tsy mahaleo ny fanahy, ka dia ho hita eo ny ho avin’i Madagasikara izay efa mihohoka amin’ny tany ankehitriny.