Ikongo – Kere sy varo-janaka – Governora Jeneraly Razafitsotra Lucien- Mibaribary imason’izao tontolo izao ny nezahina nafenina

Governora Ikongo - Razafitsotra Lucien

Ny Valosoa

Nitondra faisana an’ny distrikan’Ikongo ny fandalovan’ireo rivodoza nifanesy, dia Batsirai, Emnati sy Chenesso, namotika ny lalana ary nampitoka-monina ny faritra. Simba ny vokatra, rava ny trano, nitavozavoza ny fanampiana, niakatra izaitsizy ny vidimpiainana, hany ka tafiditra kere lalina ny mponina aman-hetsiny. Ary dia niafara tamina fihetsika mamoafady izany, manjary tonga hatramin’ny mivaro-janaka ny aman-dreny noho ny fahoriana mihoampampana mianjady.

Noezahin’ny governoran’Ikongo, ny jeneraly Razafitsotra Olivier, nandritra ny fandalovany tany an-toerana ny volana janoary izany fivoratan-janaka izany saingy izao navohitry ny mpampita vaovao vahiny France24 izao fa izy governora mihitsy no nanome baiko ireo zandary izay naka an-tsary ny tatitra nataon-dRamatoa Josianne avy ao Ambolomadinika distrikan’Ikonga, izay nitsangana ho vavolombelona, ka hanaisotra ny ampahany miresaka ilay reny tsy nahavelona ny zanany 11 taona izay nangataka iray tapitrisa ariary ho takalon-janany.

Araka ny mpampita vaovao France24 ihany, dia nisy ireo mponina nanantona ny mpanao gazetiny niangavy mba ho vidina atakalo vola ny zanany. Nisy koa zaza telo taona voavonjy teny an-tanimbary izay mbola nifehy tady ny tendany, ary soa fa novonjen’ity reny nitsetra izay sady naniry mba hanan-janaka vavy ka natsangany.

Tsy vitan’ny mihezaka mafy manafina ny marina sy ny tsy fahaiza-mitantana ity fitondrana Rajoelina ity kanefa dia hitam-poko hitam-pirenena foana ary dia ny vahiny mihitsy àry no mamoaka izany. Raha ny tatitra nataon’ny Médecins Sans Frontières (MSF) izao dia ankizy miisa 6.500 no voatily ho tena marefo ara-pahasalamana ary mahatratra in-telo avo heny ny taha fanairana na “seuil d’alerte”. Ao amin’ny distrikan’Ikongo dia mahatratra 20% ny tahan’ny ankizy latsaky ny dimy taona, tsy ampy sakafo. 15%-n’ny mponina no ao anaty ny hamehana ara-pahasalamana.

Toy ny tongo-bakivaky ny afitsok’ity fitondrana volomboasary ity, ka sady marary no maha-menatra. Tsy vitan’ny hoe tsy mahatanteraka ny andraikitra tokony ho sahaniny eo anatrehan’ny vahoaka fa mbola manao fanaparam-pahefana sy manampimbava, no sady mandrangaranga herim-pamoretana tsisy farany. Leo, leo, leo… Soa fa tonga ity ny taona handraisan’ny vahoaka ny andraikiny isafidiany izay olona mendrika hitondra azy any amin’ny mahasoa.

Rohy: http://www.gvalosoa.net/2023/03/14/madagascar-la-faim-et-la-precarite-poussent-des-familles-a-vendre-leurs-enfants/