Toe-tsaina « Gasitsara » – Ho fanoitran’ny toe-karena

Lalasoa Razafindrakoto

Maro be ireo akony tsara eo amin’ny toe-karen’i Gasikara raha toa ka mahazo faka ao amintsika rehetra ilay toe-tsaina “Gasitsara”, hoy ny Dr. Randriamahenina Fabrice, mpandala ny maha malagasy.

Ho an’ny “seha-pamokarana ambanivohitra”, izay fantantsika fa miompana betsaka amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Ny fananan’izy ireo ilay toe-tsaina “Gasitsara” dia hanosika ireo tantsaha ho tia karokaroka, tia miasa, tia mandalina amin’ny alalan’ireo fampiofanana. Handala sy hankamamy ny firaisankina kokoa, ihany koa, ireo efa manana ny toe-tsaina “Gasitsara”. Vokany, azo antoka ny fitomboan’ny velarantany volena sy ny tahan’ny vokatra miakatra ary ny fahatsaran’ny kalitaom-bokatra, izay azo avy amin’ny fampiasana ny teknolojia mikajy ny tontolo iainana. Tsy ho sarotra ihany koa ny hitarihana miandalana ireo tantsaha sy mpiompy hiditra anatin’ny kaoperativa, ho fanamorana ny fitadiavana lalam-barotra “Tsenam-bokatra” ialana amin’ny fanambakana ataon’ireo “mpijirika”.

Hitombo ny ambim-bava ary hiakatra ny fari-piainan’ireo tantsaha. Ireto farany izay ambara ombieny ombieny, fa mandrafitra ny 80 % ny mponina eto amintsika. Tsy iadian-kevitra, araka izany, fa hivoatra ho amin’ny fahatsarana ny seha-pamokarana eny Ambanivohitra noho ny fananana ilay toe-tsaina “Gasitsara”.

Ho an’ny “seha-pamokarana an-tanàn-dehibe” ahitana ny famokarana ara-indostria, izay iaraha-mahalala ny fahavitsiany ankehitriny. Malaina ny maro amintsika hividy ny vokatr’ireny orinasa ireny, noho ilay toe-tsaina raiki-tapisaka hatramin’izay hoe : “vita gasy”. Ity voambolana “vita gasy” ity izay mirakitra ahiahy sahady ho amin’ny hatsaran’ny kalitao (tarazo nolovaina tamin’ilay toe-tsaina malgache). Teraka ilay fironana ho amin’ny fanafarana ireo vokatra avy any ivelany. Raha toa ka manana ilay toe-tsaina “Gasitsara” ireo teknisianina dia hanana risika be kokoa hatrany hikaroka ny fomba hanatsarana ny kalitaom-bokatra eto an-toerana izy ireo ary azo inoana fa hahafeno ny fenitra takian’ny tsena maneran-tany ny vokatra eto an-toerana. Na ilay fiantsoana hoe : “Vokatra gasitsara” tokoa aza anie ka efa dokambarotra maimaimpoana ho an’ireo vokatra eto amintsika e ! (Izay ilay herin’ny teny manala fahantrana).
Raha ny seha-pamokarana ambanivohitra sy an-tanàn-dehibe ind

ay no resahana, dia tsy afa-misaraka izy ireo ary mifameno tanteraka. Natsidiky ny Dr. Randriamahenina Fabrice teto ny momba ny resaka éthanol. Raha tsiahivina, vinavinan’ireo teo anivon’ny fahefana mpanatanteraka ny hanatanterahana ny fampiasana ity vokatra ity, ho amin’ny solika fandrehitra azo avaozina ary hanala fahasahiranana ny mponina ny fampiasana azy. Nolavin’ny teo anivon’ny Antenimierandoholona anefa izany, noho ity vokatra ity voasokajy ho anisan’ireo zava-mahadomelina. Iaraha-mahalala tokoa mantsy, fa isika Gasy no tompon-daka maneran-tany amin’ny figohana zava-pisotro misy alikaola. Raha manana ilay foto-pisainana tia miasa, tia karokaroka, tia manangona sy manangana izay raiketin’ilay toe-tsaina “Gasitsara” anefa ny isam-batan’olona dia ho mora foana ny hampiasana ilay “éthanol”, ho amin’ny mahasoa ny tsirairay.
Ny lafiny fizahantany izay mampiditra vola vahiny tsy misy masonkarena. Raha tafapetraka amin’ny isam-batan’olona ilay toe-tsaina “Gasitsara”, tia manatsara sy tia karokaroka dia na ny toerana onenany sy misy azy aza dia ho hainy ny hanatsara sy hanaingo izany, mba hanintona mpizahantany maro, izay hiteraka loharanom-bola ho an’ilay toerana sy ny fanjakana foibe izany.

Raha fintinina, ho toy ny vy miaina hanentana tanteraka ny toe-karena ny fananana ilay toe-tsaina “Gasitsara”. Hitombo ny tahan’ny fanjifana eto an-toerana noho ny efa fiovan’ny fomba fijery avy eto an-toerana sy avy any ivelany ny vokatry ny tanintsika ilay antsoina hoe : “Vokatra gasitsara”. Hisokatra kokoa ny lalam-barotra ary samy higoka ny tombontsoa ireo mpamokatra, mpanodina ary ireo mpandraharaha ara-barotra eto an-toerana sy any ivelany. Hitombo ny vola vahiny miditra. Samy hisitraka tombontsoa ny vahoaka sy ny mpitondra dia hiadana sy ho finaritra ary ho sambatra tokoa i Gasikara e ! Ndeha àry hiaraka hisaina sy hiaina ilay “Gasitsara” isika mianakavy e !