Rajoelina sy Ravalo – Mbola hafa mihitsy ny Filoha Marc Ravalomanana

Andry Tsiavalona

Miezaka manarina ny tsy fahombiazany eo amin’ny sehatra rehetra ny fitondrana tarihan-dRajoelina Andry, ka mitady ny fomba heveriny fa hamerina ny fiheveran’ny gasy azy ho « mesia » ka hampandroso ity Nosy ity tao anatin’ny fotoana fohy, kanefa na dia ireo dimy ambiroapolo isan-jaton’ny mpifidy nandatsa-bato ho azy tamin’ny fifidianana ho Filoham-pirenena fihodinana faharoa aza dia efa rikoriko amin’ny ataony satria diso fanantenana tanteraka. Tsy hitanisa ireo fampanantenana marobe nataon-dRajoelina Andry izay, fa santionany vitsivitsy no hoentina hanamarinana ny fihodinan’ny olona aminy amin’izao fotoana izao. Matikambo na matin’ny hambony loatra izao fitondrana izao satria nikabary Rajoelina Andry fa tsy mila ny mpamatsy vola mahazatra (FMI, BM, sns,…) fa tsy handroso i Madagasikara na amin’ny taona 2030 na 2050 na 2060.

Tsy roa taona teo amin’ny fitondrana anefa izao fitondrana izao no teo amin’ny fitantanana ny Firenena dia nandalo teto ny valanaretina covid-19, ka na nilaza aza Rajoelina Andry fa i Madagasikara no hanavotra izao tontolo izao satria namokatra fanafody CVO dia niaraha-niaina, fa raha tsy nisy ireo mpiara-miombonantoka ara-tekinika sy ara-bola dia nahita ny tsy fahita teto ny vahoaka malagasy. Matikambo ihany koa izao fitondrana izao satria ho sompitra aty amin’ny Ranomasimbe Indiana, hono, satria hahavita tena ara-tsakafo ny Nosy ary hanondrana ny ambim-bava any ivelany. Ny zava-doza anefa dia ny nifanohitra tamin’izany no nisy satria nanafatra izay ilain’ny mponina an-davanandro, hatramin’ny vary, ka sambo roapolo no nitaterana izany. Ny manahirana ny saina anefa dia ny tantsaha any ivelany no novelomina fa ny teto an-toerana kosa dia novonoina an-kolaka. Ny tsapa tokoa dia nanangana ny SPM ny fitondrana nentina nanilihana ireo orinasa malagasy mpanafatra entana, ka heverina fa voa in-droa toy ny dakam-boriky ny gasy fa, nahazo tombony avo roa heny ny mpitondra. Tsy misy afaka mandà tokoa fa afaka namatsy vola an’i Comores tokoa i Madagasikara raha toa ka tsy nataon’ny mpitondra tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ary azo heverina fa ireo volamena efapolo kilao latsaka kely tratra tany aminy no nanaovany fanampiana ara-bola ireto mpitondra matikambo ireto volana vitsy lasa izay. Izay no lazaina momba ny fifandraisana amin’ny any ivelany.

Raha ny eto an-toerana kosa dia nihambo Rajoelina Andry, fa hanao izay tsy vitan’ireo mpitondra nifandimby tato anatin’ny enimpolo taona raha vao tonga teo amin’ny fitondrana. Tsy ilaina ny miresaka ireo fotodrafitrasa nankalazain’ny filohan’ny Repoblika, Toamasina ho toa an’i Miami, Ambatondrazaka ho toa an’i Paris, sns,… satria iaraha-mahita ny fivadihan-javatra, fa ireo misy fiantraikany eo amin’ny fiainam-bahoaka no hasongadina. Nentina niady amin’ny kere sy ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny Faritra Atsimon’ny Nosy dia nisy ny tetikasa fitarihan-drano amin’ny alàlan’ny “pipe-line” hamatsian-drano ny mponina sy ny biby fiompy ary entina hanondrahana ny tanim-boly. Zary resaka ambony vavahady izany satria tsy mbola misy tokontaniny izany amin’izao fifaranan’ny fepotoana itondran-dRajoelina Andry izao. Matikambo ihany koa Rajoelina Andry raha nilaza fa hampitomboiny 400MW ny angovo 400MW efa nisy ao anatin’ny dimy taona. Vao tsy ela akory izy dia nilaza indray fa hampitomboiny 800MW izany ato anatin’ny dimy taona ho avy. Ny 400MW aza tsy hita ka aiza indray no hamokatra izany nofinofy izany. Tsy misy fivoarana ary vao mainka miha-ratsy ny famatsiana angovo ka misy fiantraikany eo amin’ny fidiram-bolan’ny miasa tena mampiasa herinaratra. Tsy mahagaga raha toa ka miha-mahantra sy fadiranovana ny vahoaka malagasy saingy mitombo harena sy milomano ao anatin’ny harena ny mpitondra.

Tsy “mesia” Rajoelina Andry ary mpianany mitovy aminy ireo mpiaradia aminy, ka tsy hisy fahagagana hitranga eto ato anatin’ny enim-bolana. Ireo no anton’ny ialàn’ny ankamaroan’ny niady mafy tamin’ny nampandaniana an-dRajoelina Andry ao an-tsambo izay efa azo antoka fa ho rendrika. Mahagaga ny fampitoviana an-dRajoelina Andry sy ny filoha Ravalomanana Marc navoakan’ny gazety mpiseho isan’andro iray, omaly, satria mampitovy lakana aman-jahatra ihany. Ny tsapa dia miezaka manao dika mitovy amin’ny nataon-dRavalomanana Marc i Rajoelina Andry kanefa toy ny atsimo sy avaratra ny MAP sy ny IEM. Raha ny zavatra iainan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao dia tsy hitovy amin’izay niainany tao anatin’ny 2002 sy 2009. Izay mahatsapa sy miaina fa tsy misy mandeha amin’izay laoniny ny zavatra rehetra dia tsy azo ekena raha diso lasibatra sy tsy manao fanabeazana mifototra amin’ny fampahafantarana ny fototr’izao toe-javatra iainan’ny mpiray firenena izao.