TIM Talatamaty – Na nisy ny ramatahora, tsy nahasakana ireo mpikatroka be

Isambilo

Nifampiarahaba tratry ny taona ny alahady tolakandro teo, ny avy amin’ny antoko TIM Talatamaty distrikan’Ambohidratrimo. Na nisy ny ramatahora, tsy nahasakana ireo mpikatroka marobe tsy ho tonga tany Faralaza Talatamaty izany, tsy nahasakana ny filoha Marc Ravalomanana tsy ho tonga tany koa, satria hatreny Faravohitra misy ny trano fonenany, ka hatrany Faralaza Talatamaty, feno mpitandro filaminana nanao ramatahora ny filoha Marc Ravalomanana sy ireo mpikatroka TIM ao amin’ity kaominina ity. Na nisy izay ramatahora izay, tsy nahasakana ny filoha Ravalomanana sy ireo mpikatroka marobe izany.

Nambaran’ny filoha Ravalomanana nandritra izany fa: ”na maro aza ireo sakana, aza matahotra fa manana vahaolana isika”. Hiroso amin’ny fifidianana isika, aoka samy hanara-dalàna ny rehetra amin’izany, hoy izy. Tsy ekena ny fanoloana sefo fokontany raha depiote no hanao izany. Mbola nanentana ny rehetra hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana ny filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM sy ny TIM, mbola hatramin’ny faran’ny volana mey no azo anatanterahana izany. Ny sekretera jeneralin’ny antoko, Rina Randriamasinoro dia nanoritra fa: “aoka isika hiray hina hiadiana amin’ny hala-bato”. Sompitry ny vato amin’ny fifidianana ny distrikan’Ambohidratrimo, hoy kosa ny depiote Mamy Rabenirina, amin’ny maha-distrika faharoa lehibe indrindra eto Madagasikara ity distrika ity. Misorata ihany koa amin’ny lisi-pifidianana izay mbola tsy nanao izany, hoy ity olom-boafidy ity. Ny ben’ny tanànan’i Talatamaty, Elie Dominic dia nilaza fa hitazona ny maha-TIM an’i Talatamaty izy ireo. Ny depiote isany: Fetra Ralambozafimbololona sy Emilien Ramboasalamana kosa dia samy nanamafy, fa tsy hanaiky ny toy ny tamin’ny taona 2009 sy 2018 intsony ny TIM. Niatrika ny fotoana koa ny solontena avy amin’ny RMDM Christian Tabera, miroso hatrany isika, tsy misy marche arrière intsony, hoy ity mpanao politika tanora ity. Anisan’ny nanampy tamin’ny fikarakarana izao hetsika teny Talatamaty izao, ny Malagasy monina atsy amin’ny Nosy La Reunion Dokotera Sylvie Razafintsalama, sy ny mpiara-miasa aminy eto an-tanindrazana avy amin’ny tanora TIM eny an-toerana, Zo Rarivosoamboahangy.