Nosy Malagasy – Tsy mbola mihevitra ny hamerina izany amintsika ny Frantsay

Stefa

Tsy mbola mihevitra ny hamerina ireo Nosy Malagasy, na Iles Eparses amintsika Malagasy ny Frantsay.

Araka ny fanambarana nataon’ny ministra misahana ireo tany frantsay ivelan’i Frantsa, Jean François Carenco dia nanamafy ny voalazan’ny filoha Emmanuel Macron izy, fa fiaraha-miasa ara-tsiansa no ilaina, fa tsy ny famerenana ireo Nosy. Izany dia midika, fa mihevitra hatrany ny fitondrana any Paris, fa azy ireo koa ireo Nosy Malagasy ireo, izay takiantsika hatrany ny fiverenany amin’i Madagasikara.

Efa ho 40 taona mahery izay, nitsipaka foana ny fanomezana ireo Nosy ireo ho antsika Malagasy ny frantsay. Be ny harena amin’ireo Nosy ireo, na an-dranomasina, na amin’ireo tany kely ireo, mahatonga azy ireo hifikitra hatrany amin’ny fitantanana an’ireo Nosy Malagasy miisa 5 ireo.