Tsy nisy toy izao teto amin’ny firenena hatramin’ny naha tany ny tany

Andry Tsiavalona

Tsy mbola nisy toy izao teto amin’ity Firenena Malagasy ity hatramin’izay naha-tany ny tany. Kivy sy miraviravy tànana ny ankamaroan’ny mpiray firenena satria nandalo teto avokoa ny loza isankarazany: ny valanaretina, ny fandrobana ny harem-pirenena na ambonin’ny tany, na ambanin’ny tany, na an-dranomasina, ny fahantrana, ny tsy fandriampahalemana. Tsy lazaina intsony ny fanararaotam-pahefana sy ny tsindry hazo lena ataon’ny mpitondra ary ny mizana tsindrin’ila.

Tsy azo lavina fa fotoanan’ny doro-tanety amin’izao fiandohan’ny lohataona izao kanefa dia zava-doza loatra ny tranga ankehitriny, satria maro amin’ireo faritra arovana (aires protégées) dia lasa lavenona ny velaran-tany midadasika ary betsaka ny biby arovana sy tsy misy afa tsy eto Madagasikara no maty noho izany. Milaza anefa ny ao amin’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana, fa hatramin’ny taona 2018 no mankaty dia tamin’ity taona ity no kely indrindra ny velaran-tany may. Ny zava-doza dia mifanohitra amin’izany ny tomban’ny fahamaizana nolazain’ity departemanta ity satria vola mitentina dimanjato sy telo arivo miliara dolara no tombany. Izingizinina fa eo amin’ny sehatry ny toekarena dia lasa lavenona avokoa izay volamena sy hazo sarobidy naondrana an-tsokosoko rehetra, satria tsy misy azo raisina intsony ireny ary tsy mitondra fivoarana sy fampandrosoana ho an’ny Firenena, fa vao mainka mampahantra azy sy ny vahoaka ao aminy.

Mirazotra amin’izany ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny hazo sarobidy ataon’ny solombavambahoaka izay manome fahazona-dàlana ny tenany hanapaka sy hitatitra izany amin’ny fotoana tsy voafetra. Ny manahirana dia ho toy ilay vola amina miliara tao anaty baoritra tratra tao anaty fiaran’ity depiote ity Lanto Rakotomanga ity ihany koa ny raharaha, ka tsy hisy tohiny intsony. Ny zava-doza dia ilay mpamily ny fiara nitondra ny hazo sarobidy indray no nampidirina am-ponja vonjy maika kanefa mazava ny taratasy fahazona-dàlana voasonia sy misy tombokase. Lasa lavenona ihany koa ny volamena nataon’ny karana trafika satria dia navoaka avy any am-ponja ireto mpanondrana an-tsokosoko ireto, satria azo inoana fa ny vidin’izany dia efa nivadika vola ary nampidirina any amin’ny kaontin’ny mpiray tsikombakomba. Vao omaly ny omaly indray no nisy volamena tratra tany Seychelles, ka ho lasa lavenona koa, angamba, satria na dia ny filohan’ny Repoblika aza no nijabaka tamin’ny fitakiana ny famerenana izany dia tsy nisy vokany. Tsy misy valaka amin’izany koa fa lasa lavenona ireo vola nividianana “bonbons sucettes” sy “écrans plats” tamin’ny fotoana nipariahan’ny valanaretina covid-19 ireny.

Telopolo sy telonjato andro sisa tavela amin’ny fepotoana itantanan’izao fitondrana izao ny Firenena kanefa dia mikopaka ny afo hiredareda amin’ny fiketrehana ny PEM ry zareo hiantsoana mpanambola hamatsy ny programa. Ny hatahorana anefa dia efa nirehitra sy lasa lavenona na lasa entona avokoa ireo velirano nataon’ny filohan’ny Repoblika, satria nahery loatra ny afo ka tsy ho sahy handoro ny volany eto ny mpanambola. Miha-mirehitra sy miredareda ihany koa ny afo eny amin’ny sampan-draharaham-panjakana isan-tokony sy eny amin’ny orinasa tsy miankina momba ireo fitakiana maro samihafa tsy nahazoana valiny mahafapo sy ny fanambanimbaniana ny mpitokona. Manampy trotraka ireo toe-draharaha ireo ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny fitsarana ka mahatonga ny fitsaram-bahoaka, ary ny fanaovan’ny mpitsara mizana tsindrin’ila izay miteraka fahatezeran’ny olompirenena hihàran’ny tsy rariny. Tsy menamena fotsiny intsony ny tondro refin’ny toe-draharaham-pirenena eo amin’ny sehatra rehetra fa efa manomboka mirehitra sy midonak’afo, ka ahiana ho lasa lavenona avokoa, izay mba nezahin’izao fitondrana izao nampitsiriana teto amin’ity Firenena ity.