Filoha Marc Ravalomanana – Nandray anjara mavitrika tamin’ny fihaonamben’ny STK FJKM

Helisoa

Tonga tany Toamasina nanatrika ny fihaonamben’ny Kristiana tanora FJKM ny filoha lefitry ny FJKM, sady filohan’ny jobily faha 200 taona nidiran’ny filazantsara teto Madagasikara teo aloha ny filoha Marc Ravalomanana. Nisy ny andraikitra noraisiny tamin’izany dia ny fampiofanana Leadership Chretien ho an’ireo tanora. Zava-debibe amiko ary raisiko adidy hoy ny filoha Marc Ravalomanana ny fizarana fahalalana sy ny fifanakalozan-kevitra amin’ny sehatra rehetra. Izany indrindra no namaliako ny fanasana nataon’ny Sampana Tanora Kristianina eto anivon’ny FJKM izay miatrika ny fihaonambe aty Toamasina ka nandraisako anjara tamin’ny fampiofanana “Leadership Chrétien”.

Ny kristianina dia olom-pirenena hoy ny filoha Ravalomanana, koa mitodika manokana aminareo tanora aho, tsarovy hatrany fa manan-danja ianareo eo anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena. Ankoatra izay filaharambe namakivaky ny tanànan’i Toamasina no nataon’ireo tanora STK FJKM tonga tao Toamasina nanamarihana ny famaranana ny Fihaonambe izay nataon’izy ireo. Nitarika izany ireo Mpitandrina avy amin’ny Birao Foibe FJKM izay notarihan’ny Sekretera Jeneralin’ny Fiangonana niaraka tamin ny Filoha Lefitra teo aloha Marc Ravalomanana.