Filoha Ravalomanana – Tsy avelantsika ho ampahoriana toy izao ny vahoaka malagasy

Nangonin’Isambilo

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM Rina Randriamasinoro, sy ny mpandrindra nasiônalin’ity antoko ity Jean Claude Rakotonirina, nandritra ny hetsika ho fanavotam-pirenena natao tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ny sabotsy teo, ary notazonina teny Fiadanana mandra-paharivan’ny hariva. Tsy tafiditra tao amin’ny Magro koa ireo nanao ny hetsika ho fanavotam-pirenena izao noho ny fanakanana nataon’ireo mpitandro filaminana, nefa tany mifefy sy tanin’olon-tsotra ity toerana ity. Nony alina anefa ny andro navotsotry ny fitondrana ihany izy mirahalahy. Nisy ny fanambarana natao teny Faravohitra alin’iny ihany, nataon’ny filoha Marc Ravalomanana:

“Manoloana ny herisetra sy ny fisamborana an-keriny natao tamin’ny sekretera jeneralin’ny antoko Tiako i Madagasikara, Rina Randriamasinoro, sy ny Coordonnateur Jean Claude Rakotonirina, dia milaza an’izao amin’ny vahoaka malagasy rehetra aho, milaza an’izao amin’ny firenena rehetra eran-tany. Tsy sahaza, tsy mendrika ny Malagasy ny fihetsika toy izany, fampihorohoroana ireo izay tsy mitovy hevitra aminy, fanaovana fitaovana an’ireo mpitandro ny filaminana, mba hiarovana ny tombontsoany. Hoy aho aminareo hoe: herisetra, ary tonga dia atao fisambotra an-keriny fotsiny izao, alainy amin’ny vozon’akanjony, izany no atao hoe ” terrorisme d’etat”, izany no atao hoe fampihorohoroana, izany no atao hoe tsy manaja sy manitsakitsaka ny lalampanorenana.

Ka na inona na inona no lazainareo, efa niparitaka eran-tany ny zava-niseho, ampisehoana fa eto Madagasikara dia tsy misy mihitsy izany fanajana zon’olombelona izany, tsy misy mihitsy izany hoe fanajana ny hasin’ny maha-olona ny olona izany, ny maha-malagasy azy, ny maha-mpitarika azy. Maneho ny fankasitrahana ireo vahoaka rehetra niara-nientana namaly, ary tonga teny amin’ny toerana nihazonana azy ireo, iray andro maninjitra izy ireo teny foana, fa novotsorana izy ireo satria tsy hita izay saika hilazana azy, saika ho foronina fotsiny ny vesatra hatao amindry zareo, ohatran’ny zavatra nanjo ny tany Nosy be tamin’i Ninie Doniah. Tandremo tsara fa fandalovana ny anareo eo amin’io toerana io, tandremo tsara fa ny fampandrosoana firenena tsy maintsy ao anaty filaminana, fifanakalozan-kevitra, fifampidinihana, efa niantso impiry izahay hoe hisy ny fikaonandoham-pirenena hifampidinihan’ny olona rehetra izay tokony hifampidinika, hifanarahana. Ianareo manao be marenina fotsiny.

Mamerina ihany aho ny fanamelohana tanteraka ny fihetsika toy ireny, ary mamerina ihany koa aho ho anareo ao amin’ny HCC, mba jereo raha tena tsy mitanila ianareo, ara-dalàna ve, araka ny lalampanorenena ve ireny? Mety ve ireny natao ireny, na dia teny kely aza tsy avoakanareo? Teo ange izahay e! teo aho, mahalala tsara hoe ohatran’ny inona izany fanajana lalampanorenana izany toy ny anakandriamaso, fianianana natao izany, mialohan’ny fandraisana andraikitra amin’ny maha filohan’ny Repoblika, fa tsy mangenahena, manao be marenina fotsiny eo. Koa dia miantso ny vahoaka malagasy rehetra aho samy hijoro, ho sahy handray ny andraikitra, fa tsy avelantsika ho ampahoriana toy izao ny vahoaka Malagasy.”