MIHOROHORO NY NGEZA

Mitohy hatrany ny hadalàna’
Ireo mba manam-pahefana.
Isan’andro vaky izao
Dia ‘ndreo manao ny tsy fanao.

Olona niakanjo mena
‘Ndeha hizotra ho any an-tsena
No avy hatrany dia voarara
Sy nalefa anaty fiara!

Nisy koa nilaza tsotra
Tany anaty tambazotra
Ny manjo ny ambanivohitra,
Dia nogadraina fa mpanohitra!

Ankihibe mivadika avy
Dia nampiakatra tambavy!
(V ihany no milay.
Enjehina ny ankoatr’izay!)

Kaonty fako no aparitaka
Sy entina mamitapitaka,
Ka ny lo sy mamarara
No lazaina ho tena tsara!

…Tebiteby lalandava
No iainan’ny mpandrava,
Ka dia tena mihetraketraka
F`efa tsy mahay mipetraka!

Mihozongozona ny seza.
Marika fa tsy hateza,
F’amim-pomba miezinezina
No ho lavo ny andrarezina!

IRINA HO TAFITA (25-07-22)