AVOAHY RACLAUDE SY RIANA

Raclaude sy Riana ve no nosamborina?
Paika maloto sy tena lomorina.
Toy ny mitory fa hay manavia
Sy tsy zakanareo ny demokrasia!

Dia vao mainka hiakatrakatra ihany ny feo,
Ary hiampy ireo olona leo anareo,
Ka dia mieritrereta ary koa miomàna,
Fa ho avy tsy ho ela ilay hoe fianjerana!

Atsaharo, avelao ny fandrebirebena,
Fa tena efa potika ny firenena.
Ahoròny ny entana sy ny bagazy,
Mialà ry mpitondra tsy mahavita azy!

Tohizo ny tolona re ry vahoaka
Ka dia mivondròna, aza misy mitsoaka.
Na inona basy sy zava-mipoaka :
Raclaude sy Riana tsy maintsy mivoaka !

TSIMIMALO (23-07-22)