ANTSO HO AMIN’NY FANAVOTAM-PIRENENA – ASABOTSY 23 JOLAY 2022

Tianao ve ny tanindrazana?
Mandrosoa mba hotopazana.
Ny mihemotra fadio,
Androntsika ny andro anio.

Mandrosoa fa aza miahotra,
Aza kivy na matahotra.
Tokana no hokendrena:
FANAVOTAM-PIRENENA!

Ny firaisana no hery.
Ny maningana ho very.
Aoka tsy hisara-bazana,
Masina ny tanindrazana!

Mitsangàna mba ho jiro,
Izany marina ifikiro.
Aoka tsy hitazantazana
Masina ny tanindrazana!

Eny an-kianjan’ny finoana,
Eny no hifamotoana.
Tonga ny ora hifohazana,
Masina ny tanindrazana!

DADAN’i RIANA (22-07-22)