Filoha Rajoelina – Matahotra ho resy sahady dia mangalatra fiaingana

Ny Valosoa

Tsy mbola nisy ohatr’ity hatrizay nanaovana hoy ny resa-behivavy, loza tokoa fa nidina tany Mandoto tany Vakinankaratra Ingahy Filoha Rajoelina niaraka tamin’Ingahy Praiminisitra Ntsay, sy ireo minisitra maromaro ao amin’ny governemanta.

Nizara karatany hono ny antondian’izy ireo tany, izay tsiahivina fa ny Filoha Ravalomanana no nahatonga ny fizarana tany hoan’ny tantsaha, izay nanome fahefana ny kaomina amin’ny alalan’ilay antsoina hoe Bif ( Birao Ifotony momba ny Fananantany), io Bif io no manao ny fanadihadiana eny ifotony, ary manana ny fahefana manome tany ny tantsaha, rehefa tsy misy ny olana amin’ny sampandraharahan’ny fananantany, maro ireo tantsaha nisitraka izany fahazoantany izany nandritran’ny fitondrana notarihan’ny Filoha Ravalomanana, ka ny Ben’ny tanàna miaraka amin’ny fanarahamason’ny mpiasan’ny sampandraharahan’ny fananantany dia mahavita manao ny fizarana. Asa tsotra fanao andavanandro izany, tsy misy tokony ilana Filohampirenena na Praiminisitra na minisitra na solombavambahoaka.

Ny tena nahatsikaiky tamin’ilay tany Mandoto dia lasa fampielezankevitra mialohan’ny fotoana, nataon’ny antokon’ny fitondrana no niseho, nisy hatramin’ny filanjana sorabaventy miaraka amin’ny fampiakanjoana “T- Shirt” izay miravaka ny lokon’ny fitondrana.

Tsy naharitra ny Antoko Hery Vaovaon’ny Madagasikara (HVM), ka namoaka fanambarana, namaky ambatolampy ny fanosihosen’Ingahy Filoha ny andininy faha-49 ao amin’ny lalampanorenana, izay mandrara ny filohampirenena tsy ampifangaro ny asa maha-filoha amin’ny asan’antoko sy ity Praiminisitra tsy tahotra tsy henatra, kanefa dia ny lalàna no nanome fahefana azy hiantoka ny tsy fitanilana eo amin’ny raharahampanjakana.
Antso no nataon’ny “Hvm” ho an’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC), sy ny Vaomierampirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny “Ceni”, hijoro tsy hiangatra manoloana ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ireo milaza azy ho mpitondra ambony eto amin’ny firenena, ka ho sahy hanameloka ny hagaigen’ny fitondrana, fa raha toa ka minia mikimpy ireo rafitra roa ireo dia ny “Hcc” sy ny “Ceni”dia mazava, fa ny fahaleovantenan’ny fahefan’ampelatanan’izy ireo mihitsy no naleviny, ka mendrika ny hametra-pialana izy ireo.

Ny azo antoka aloha dia mbola hitanila hiaro ny mpitondra manitsakitsaka ny lalampanorenana ny “Hcc” sy ny “Ceni”, satria ny fisian’ny governora isam-paritra dia efa hita mibaribary fa tsy araky ny lalàna, kanefa tsy nandrenesam-peo nanameloka izany na ny “Hcc” na ny “Ceni”, ary azo antoka fa ny fanosihosena ny lalampanorenana nataon’Ingahy Filoha sy Ingahy Praminisitra nangalatra fiaingana teo amin’ny fanaovana fampielezankevitra mialohan’ny fotoana dia mbola hahazo rariny avy amin’ny “Hcc” sy ny “Ceni”.

Ny vahaolana amin’izany rehetra izany dia tsy misy afa-tsy ny fanaovana ny fihaonambem-pirenena, kanefa mialoha izany ny akaiky indrindra dia ilaina ny manatrika ny fihaonana tarihan’ny RMDM amin’ny Sabotsy izao etsy amin’ny Magro Behoririka.