Fidangan’ny vidim-piainana – Tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny sarambabem-bahoaka intsony

Rajo

Nisongadina nandritry ny tatitra nataon’ny solombavambahoaka voafidy teny Atsimondrano, Alain Ratsimbazafy, fa hanavotra an’i Madagasikara no tanjon’ny antoko Tim. Ny tombontsoam-pirenena no mila arovana hoy izy, ka hanamafy ny fototra, miainga eny anivon’ny fokontany ny antoko Tim manomboka izao ary vonona hiatrika izay fifidianana mifanesy eto amin’ny firenena izay ihany koa. Voaporofo izany nandritra ny fanamarihana ny faha-20 taonan’ny antoko Tim teny amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka farany teo.

Nasiany resaka ihany koa ny fanamarinana ny lisi-pifidianana miainga eny anivon’ny fokontany, satria ny resaka lisi-pifidianana no fototry ny olana teto amintsika ka niteraka ireny « doublons » ireny, tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Momba ny fandaniana ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana teny anivon’ny Antenimierampirenena dia nilaza izy, fa tsy nankasitraka io ny antoko Tim, fa noterena nolaniana fotsiny tao anatin’ny fotoana fohy izy io. Tokony ho tonga 30 andro mialoha mantsy izy io, nefa dia zara raha nisy 3 andro monja ny nandaniana azy.

Momba ny fanampiana ny Jirama dia nilaza ity solombavambahoaka ity, fa goavana loatra ny fanampiana ny Jirama, izay 380 miliara Ar be izao teo aloha, nefa mbola nampiana 120 miliara ariary indray avy eo. Hatreto anefa dia tsy mbola voavaha ny olan’ny fahatapahan-jiro sy ny fahasimban’ny fitaovana amina faritra samihafa. Toy ny rano an-damosin-gisa ny fanampiana ny Jirama hoy izy, satria ny vola tokony ho nanampiana ny fihenan’ny TVA izay alaina amin’ny solika no hamonjena azy indray. Tsy manana paik’ady mazava ny fanjakana hoy izy, ka ahiana ny fipoahana sôsialy eto Madagasikara, raha tsy voafehy ny fidangan’ny vidim-piainana, izay tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny vahoaka malagasy intsony ankehitriny, ka rehefa tsy mahavaha olana ny fitondrana dia mety aminy ny mametra-pialana aloha, hoy ihany ity olom-boafidy ity.