Lalana Ankadimbahoaka-Androndrakely – Nolavadavahana, tsy misy fanamboarana efa ho 2 volana

Aly

Potika nolavadavahana ny lalana Ankadimbahoaka- Androndrakely amin’izao fotoana, tsy misy fanamboarana izany efa ho 2 volana. Noho izay antony izay, sahirana ireo mampiasa izany lalana izany; ny fahapotehan’io lalana io dia miteraka fitohanana lava amin’iny faritra iny, manimba fiarakodia ihany koa izany fanimbana lalana nataon’ny orinasa tokony hanao io lalana io, sy ny fitondrana izany, satria lavaka be tokoa no misy eny an-toerana. Amin’ny hariva sy alina no tena manimba fiarakodia izany lalana nosimbaina izany, satria tsy hitan’ireo mpitondra fiara ireo lavaka rehefa mifanena samy mirehitra jiro iny ireo fiara mihazo izany faritra izany. Tsy mahaloa volan’olona izao fitondrana izao, ireo orinasa mpikojakoja lalana, tsy vitsy izy ireo no mbola tsy voaloa ny karamany, izany koa no heverina fa mampiato ny fanamboarana ity lalana Ankadimbahoaka-Androndrakely ity, tsy te hihidi-kizo hanao izany lalana izany ny orinasa nampiandraiketany azy, ka tsy ho voaloa ny volany avy eo, antony mampikatso ny asa hatramin’izao, efa ho maherin’ny 2 volana.