Tsy misy mangirana ny fiainam-bahoaka – Anjakan’ny mafia ny sehatra maro eto amin’ny firenena

Andry Tsiavalona

Tena tsy mazava intsony na tsy misy vola ao amin’ny kitapombolam-panjakana, ka tonga amin’ny lazaina fa tsy mahaloa vola intsony (en cessation de paiement), na ataon’izao fitondrana izao tari-drano an-kilahila ny fitantanam-bola, ka ny voahodinkodina no betsaka, ary ny tena zava-doza dia anjakan’ny mafia tanteraka ny sehatra maro eto amin’ny firenena, ka tsy misy mangirana intsony ny fiainam-bahoaka. Ny antony mahatonga ny hametrahana ireo mety ho fototry ny tsy fahafahan’izao fitondrana izao manefa ny trosa mitatao eo ambony lohany.

Efa aman-taonany no vita ny fanamboaran-dàlana nataon’ireo mpandraharaha nandray an-tànana izany kanefa dia arirariran’izao fitondrana izao amin’ny filazana, fa misy asa mbola tsy vita na mbola misy fanadihadiana atao noho ny faktiora tsy misy entana naterina, sns,… Amin’izao fotoana izao dia tsy mandray vatsim-pianarana ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony ary ailika amin’ny tekonolojia “digitalisation” tsy voafehy ny rihitra ka, angamba, lany nanakaramana ireo mpisehatra amin’ity teknika vaovao fandoavam-bola ity ny vola. Azo antoka anefa fa tsy maintsy misy ampahany mipitika ho an’izay nanome ny asa ny tetibola natokana ho amin’izany. Vao omaly koa no nitokona ireo mpianatra ho mpitsabo (internes) satria tsy mba nisitraka ny fampiakarana ny karama 13¨% toy ny mpiasam-panjakana rehetra, satria angamba tsy noheverin’ny mpitondra ho anisan’ny mahazo izany izy ireo. Ny olana anefa dia ny marary na ny manana havana marary eny amin’ny toeram-pitsaboana, hopitaly na CSB, no sahirana rehefa tsy miasa ireto “internes” ireto. Ananan’ny Minsiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny lisitr’izy ireo ary azo antoka fa misy izany koa any amin’ny Minsiteran’ny Fitantanam-bola, ka tokony handeha ho azy ny fisondrotana.

Vao ny andro faharoan’ny fanadinana BEPC, ny talata lasa teo, dia nitokona tsy nety nitsara ny taratasim-panadinana ireo mpampianatra satria tsy mbola nisitraka ny tambin-karamany (vacation) tamin’ny taon-dasa. Ny mampametra-panontaniana ny maro dia efa tafiditra ao amin’ny tetibolan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena isan-taona izany tambin-karama izany, kanefa dia nanjavona tsy fantatra tamin’ny fomba ahoana, satria tsy vao izao no nisy tranga toy izao. Orinasam-pirenena toy ireo manana ny sata mitovy aminy ny orinasa SECREN, ka bankiropitra toy ny Air Mad sy ny Sirama, nitaraina ny mpiasa ao ny herinandro lasa teo fa tsy nandray karama tato anatin’ny dimy volana. Farahidiny ny mpiasa ka tsy manambola hamidy sakafo, tsy manambola hampianarana ny zanany sy hitsaboan-tena, tsy manam-bola handoavana hofantrano, ka tsy fantatra intsony na lasa nihodina aiza indray ny vola tokony ho nandoavana ny karaman’ireto mpiasa ireto. Ka ny fanontaniana mipetraka dia misy mpanambola mety handray itony orinasa itony toy ny anaovana ny Air Mad, ka nasosoka ao ny Madagascar Airlines ve, na toy ny Jirama izay manofa “générateurs” amin’ny orinasa tsy miankina ve? Mampanahy ihany koa ny mety halehan’ny “subvention” dimanjato miliara ariary omena ny Jirama satria tsy mazava mihitsy ny fitantanam-bolan’izao fitondrana izao.

Alaim-panahy ny maro hilaza fa ny vola rehetra tokony handoavana ireo “trosa” rehetra ireo dia mety lasa any amin’ny “paradis fiscal”, satria raha mivadika ny toe-draharaha dia misidina any fotsiny ny henjana rehetra satria efa manana ny vonona. Araka ny vaovao farany ary namafisin’ny mpandraharaha iray avy any amin’ny Faritra Sava dia tena manambaka ny tantsaha mpamboly lavanila mihitsy ireo manao ampihimamba, satria raha dimy arivo sy fitoalina ariary no hividianana ny iray kilao dia efa mananika ny roa tapitrisa ariary anefa no hividianan’ireo mpividy izany any Eôrôpa. Tsy mahagaga raha niakatr’afo ny solombavambahoaka voafidy tany Toamasina I momba ity resaka lavanila ity.