Faha-20 taonan’ny antoko TIM – Maro no latsa-dranomaso amin’ny fampirantiana ny tantarany

Isambilo

Natomboka ny alakamisy teo, ka tsy hifarana raha tsy anio sabotsy ny fanokafana ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Fampirantiana ny tantaran’ny antoko no nisantarana izany omaly sy afak’omaly, nosokafan’ny sekretera jeneraly nasiônalin’ny antoko Rina Randriamasinoro, niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny birao politika nasiônalin’ny antoko, sy ireo olom-boafidy avy amin’ity antoko ity: depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolotsainan’ny tanàna TIM,… Aranty mandritra izany koa ny lalana nodiavin’ny filoha Marc Ravalomanana, filoha mpanorina, sady filoha nasiônaly amin’izao fotoana.

Nampihetsipo ny maro tonga nijery ny fampirantiana ireo sary samihafa naseho nandritra izany, maro noho izany ireo latsa-dranomaso nahatsiaro ireo zava-bita maro vitan’ny fitondrana Marc Ravalomanana sy ny antoko TIM, nefa nopotehan-dry mpanongam-panjakana notarihan-dRajoelina tamin’izany fotoana, ary mbola mitohy ankehitriny izany famotehana ny firenena ataon’izy ireo izany. Ireo potika tamin’ny taona 2009 aza, maro ireo mbola tsy tafarina, na tsy ho vita mihitsy raha mbola izao fitondrana Rajoelina, mpanimba firenena, sy mpampijaly vahoaka, ary tsy mihaino ny fitarainam-bahoaka izao no mbola mitondra eo.

Anio, vavaka iraisam-pinoana no hanombohana ny fotoana etsy amin’ny Magro Behoririka, hisy avy eo ireo lahateny isan-karazany, heverina fa anisan’ny handrasana amin’izany ny lahateny sy ny hafatra avy amin’ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny rodoben’ny mpanohitra sy ny antoko TIM amin’izao fotoana. Hitodika etsy amin’ny Magro Behoririka arak’izany ny mason’ny mpanara-baovao politika anio.