TSY MILAMIN-TSAINA IREO

Rajoelina, the dark side

Tsy milamin-tsaina intsony f’efa tena mihorohoro,
Ireo andiany malaza ho mpandrava sy mpandoro.
Hevi-dratsy, saina ratsy, no hany masaka ao an-dohany,
Fa tsy hitany intsony izay marivo hirobohany.

Ny maraina vao mifoha dia hoe : -“Ahoana indray no atao
Fa ny mpanohitra toa tena nihanahery tao ho ao?
– Ny teny midina no mety f’aza asiana andrasoandraso.
Aleo atao ny fandrarana raha vao “fameloma-maso”.

Ireo avy amin’ny fanoherana, ‘ndao atao mahita angano,
N’inon’inona lazainy, ataovy tsy misotro rano,
Fa antsika ny rehetra: ny hery sy ny fahefana,
Sady isika koa tsy aiza f’eny ambonin’ny lalàna!

…Tsy matory intsony ireo fa efa feno fanahiana.
(Taitai-dava toy irony sahobakaka ambodiriana!)
Eny na hikiry fatratra fa miseho ho andrarezina,
Efa tena manantomotra ilay fianjerana miezinezina!

DADAN’i ZINA (30-05-22)