Antsirabe – TIM – Famelomamaso – Redynamisation – Manakantsakana indray ny fitondrana Rajoelina

Ny Valosoa

Araka ny efa nahiana dia tsy namela ny antoko TIM hanatanteraka ny hetsika fameloma-maso ao amin’ny kianjan’i Magro ao Antsirabe ny fitondrana Rajoelina. Nampiseho ny fahalemeny sy fahakanosàny indray izy ity manoloana ireo olona aman’arivo tonga mifanatrika amin’ny filoha Marc Ravalomanana n’aiza n’aiza alehany. Hany ka tadiavina daholo izay fomba rehetra hanelingelenana sy hampikatso ireo hetsika omanin’ny antoko. Tsy mandry saina ny fitondrana satria fahefana azo tamin’ny halatra no nahatonga azy eo, ary atahorana fatratra ny mpanohitra noho ny fahatsapan’ireo vahoaka ny soa vitan’i Marc Ravalomanana, mitaha amin’ity asa tsy misy vita sy fampanantenàna paokaty ataon’ity fitondra tsy mari-toerana ity.

Tsy voahaja ny zo fototra maha-olona, fahafahana mivezivezy sy maneho hevitra. Manjaka ny fanaparam-pahefana amin’ny fampiasàna ireo mpitandro filaminana. Nandritra ny dia miala an’Antananarivo mihazo an’Antsirabe dia nosakanana in-telo ireo fiara nitondra ny delegasionan’ny antoko TIM, Ampangabe, Ilempona Antanifotsy, Andranomanelatra. Ary naharitra hatrany amin’ny fahefa-kadiny ny fanakanana.

Fantatra androany hariva fa nandritra ny fivoriana nataon’ny OMC izay notarihan’ny lehiben’ny distrika no nahafantarana fa nosakanana ny fiara nitondra ny filoha Marc Ravalomanana sy ny delegasiona miaraka mba hahafahana mahafantatra ireo olona ao anaty ny fiara rehetra.

Etsy ankilany, raha efa tamin’ny 19 mey no nametraka fangatahana hanatanteraka ny hetsika famelomamason’ny antoko TIM rahampitso 28 mey, tamin’ny alalan’ny solontena roa dia androany hariva amin’ny 4 ora vao namoaka ny valiny ireo avy ao amin’ny OMC, fa tsy azo atao ny mamory olona ao amin’ny kianjan’ny Magro Avaratsena fa omena toerana ivelan’ny tanàna, toerana izay tsy an’ny fanjakana, CDA Vaotofotsy no natalotry ny prefe.

Dia mbola iharan’ny ramatahora sy fandrahonana ihany koa ireo mpitariky ny antoko TIM. Tsy azo atao koa na ny mandalo eo amin’ny kianjan’ny Magro mampahafantatra ny olona fa tsy eo ny hetsika fa any amin’ny toeran-kafa. Raha tsy izany dia efa rahonana hoe ho samborina tsy ho tafody any Antananarivo.

Manoloana izany jadona sy ezaka fanampenam-bava izany, dia hivory ny ny delegasiona sy ny mpitarika ny antoko TIM mahakasika ny fanapahankevitry ny mpitondra.

Ny miharihary aloha amin’izao dia fanjakana matahotra, malemy sy tsy mahatoky tena no misy eto.