RY ZAREO ENY AMIN’NY AVO

Nohavaozina ny olony f’efa maro mpanakiana.
(Efa lo sy tena maimbo raha somary hoe hitsiana!)
Olona mpanaraka efa, tsy afaka hijoro intsony.
Tsisy hazo ny lamosiny, izay ilay sivy teny ambony!

Nohavaozina ny olony f’efa lany taom-piasana.
Olo-miondrikondri-doha tsy toy ilay tany am-piaingana,
Sy mandosindositra aza, izay no hita teny ho eny.
(Angamba enjehin’ny eritreriny ny olona tahaka ireny!)

Indro lasa indray Rakoto, nefa dia Rakoto ihany
No niverina hitarika izany sehatra avo izany.
Atao hoe “tonta”, toa tsy tonta, atao hoe “vao” toa mampanahy.
Ho hita taratra eo indray ny hafitsok’ito raikalahy!

Fa ny vahoaka aloha hatreto tena tsy matoky intsony
Ny kabary sy ny teny ataon’ny avo sy ny ambony.
Toky fitaka daholo izay rehetra lasa izay,
Ka be no tofoka sy leo ka sahy mihiaka f’efa fay!

…Koa asakasakao indray ry ilay nandray ny fahefana
Hipetraka amin’ny toerana avon’ito andrim-panjakana.
Tsotra ny hafatray vahoaka efa mijaly mitaraina:
Anio ianao dia ho mpitsara, ampitso mbola hotsaraina.

Koa ataovy ny asanao, dia tena ataovy am-pahamarinana,
Fa mbola hisy ny fotoana izay tsy maintsy hanadinana.
K’aoka koa tsy hiondri-doha toy ireo taloha rehefa hivoaka,
Noho ireny efa ihandronan’ny alahelonay vahoaka!

DADAN’i ZINA (Mey 22)