HO FAMPAHEREZANA IREO MPANOLOTSAINA – TRATRY NY ANTSOJAY

Mitohy hatrany ny antsojay sy fanamparam-pahefana,
Izay ataon’ireo mpitondra sy mpitantana tanàna,
Saingy ny asany maloto, hidofotra amin’ny rindrimbe,
Ka mahereza re ry ekipa miaraka amin-dRaCle.

Ireo ilay efa lany lainga, tsy mahita izay hatao,
Ka dia ny hitany hiadiana, vehivavy toa anao.
Tsy mahataitra antsika izany fa ny teninay dia hoe:
Na mbola injato ianao no antsoina, mahereza RaCle.

Mpitondra tsisy kalitao ireo miedinedina eo ireo.
Tofoka azy ny vahoaka, tena boboka sy leo.
Ny fanovana izao no ilaina, tsy izy intsony i Vazahabe.
Ianao no hitarika an’izany, mahereza RaCle.

Ny eto Iarivo aloha no hita sy mazava be ny sary,
Saingy n’aiza n’aiza aleha, tsy misy zavatra manjary.
Koa mitaona ihany koa sy mba manentana an’ise:
Tohano ireo mpanolotsaina miaraka amin-dRaCle!

TSIMIMALO (03-05-22)