“HO AVY INDRAY NY VOLABE”

“Ho avy indray ny volabe” raha vao mivoaka ny filoha.
Ny fahantrana anefa, indrisy, toa tsy manam-pitsaharana!
Ireo “valalabematory” rahoviana no hifoha
Ka mba tsy gisitra intsony fa hisondrotra laharana?

“Ho avy indray ny volabe”, izay no re ombieny ombieny.
Tsara izay nefa kosa ny taloha angaha efa lany?
Hatreto aloha dia tsisy tonga tany am-paosinay ireny,
Fa ny tenda no mihamaina, toy izay koa ny vilany!

“Ho avy indray ny volabe”, dia lasa isika no ho mpitarika
An’ireo “marefo indrindra” sy “mahantra eran-tany?
N’iza hitonona ho mahay sy tena havanana amin’ny marika:
Raha ny “aotra” no atsongoloka, tsy miova fa ho “aotra” ihany!

“Ho avy indray ny volabe” no atao mozika mankarenina
Efa ezahina haely mialoha ny fifidianana?
Be ny zava-maizimaizina, be ny marina nafenina.
Mila ny mangarahara ireo vahoaka leom-boananana.

“Ho avy indray ny volabe”, dia asa indray izay hiafarana,
Ny amin’ireo nahodinkodina sy ireo izay nangalarina.
“Ny roa taona sisanao”, amboary ho amin’ny fanovana,
F’aza entina hilibana ry mpitantana tsy marin !

TSIMIMALO (24-04-22)